Ambohitsoa Boriborintany faha II: Tonga nijery fanatsarana ny lalan-kely i Lanto Rakotomanga

  • vendredi, 03 mai 2019 09:55
  • Sary nomena

Lalana iray ao Ambohitsoa, mampifandray an'i Ampamantanana ary Androndra no nampitaraina ny mponina, ka tonga nijery izany tety an-toerana ny kandida ho solombavambahoaka ato amin'ny Boriborintany faha II, Lanto RAKOTOMANGA.

Lalana izay ratsy dia ratsy tokoa, nefa mahatratra hatrany amin'ny 4 500 ny olona mivezivezy sy mampiasa izany lalan-kely izany.

Anisan’ny asa hatao eraky ny boriborintany faha II, eraky ny Antananarivo ary Madakasikara izany fanamboarana lalana isaky ny elakelan-trano izany, hoy i Lanto RAKOTOMANGA, raha ny programan'ny Filohantsika no jerena, koa santatra ambavarano ihany izao.

(Jereo Sary Tohiny)

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.