Fishery Improvement Project: Tetikasa hanatsarana ny jono ORITA

  • samedi, 23 mars 2019 19:34
  • Sary nindramina

Tetikasa vaovao santarina eto Madagasikara ity Fishery Improvement Project (FIP) ity, hanatsarana ny jono ORITA (poulpe). Tsy misy antotanisa mazava mikasika ny vokatra na ny filan’ny tsena anatiny na dia efa aman-taonany maro aza ity lalampihariana ity no trandrahan’ny Malagasy, na ny mpanjono, mpanangombokatra ary ny mpanondrana.

Ny hampaharitra ity jono ORITA ity indrindra no antom-pisian’ny tetikasa FIP, ary misy ny komity natsangana, ahitana ireo mpisehatra rehetra, hanara-maso ny ezaka atao hanatsarana sy hampaharitra ity lalampihariana ity.

Iny faritra Atsimo Andrefana iny no tena ahitana ity hazandranomasina ity. Toy ny jono rehetra dia misy fotoana ikatonany koa ny jono ORITA, izay amin’ny ankapobeny mikatona manomboka ny 15 desambra hatramin’ny 31 janoary.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.