Sôsialy: Antso tolo-tanana ho an’i Henintsaina Dofa

  • vendredi, 08 février 2019 11:01
  • Sary nomena

Mpanao handball nalaza, ary efa tao anatin’ny ekipam-pirenena Malagasy i Henintsaina Dofa. Nampalaza azy ihany koa ny fanipazana lefona (javelot) izay efa nahazoany tompondakan’i Madagasikara.

Tao amin’ny kilioba Tsarahofana Toamasina no nanombohany ny taona 1992. Ny taona 1996 tao amin’ny EHB Radama (Ecole de Handball). Ny taona 1996 dia voahosotra ho tompondakan’i Madagasikara ny kilioba nisy azy tao Toamasina. Ny taona 1998 dia voaantso nandrafitra ny ekipam-pirenena Malagasy ary tao ny tenany hatramin’ny taona 2002.

Ny taona 2001-2002 nantsoin’ny klioban’ny St Michel Antananarivo. Ny taona 2003, nafaran’ny klioba Zanak’Avaratra tany Antsiranana. Ny taona 1992 hatramin’ny taona 1996 dia izy hatrany no tompondakan’i Madagasikara tamin’ny fanipazana “javelot” sokajy “cadet” sy “junior”.

Nanomboka ny volana novambra 2018 anefa dia narary mafy izy. Tsy afaka mandeha fa mijanona ao an-tranony ao amin’ny Lot 120 Cité Valpinson 11/62 Toamasina.

Efa natao ny fitsaboana rehetra. Ankehitriny, lany ny teo am-pelatanana. Amin’izao fotoana izao dia vola 12 000 000 Ar eo ho eo no ilaina ahafahany manohy ny fitsaboana dia ny fividianana protezy atao amin’ny taolana sy anaovana fandidiana ahafahany mahazo fahasalamana indray.

Ho an’izay te hanampy an’i Henintsaina Dofa dia ny 034 26 642 87 no laharana ahafahana mifandray mivantana amin'i Dofa.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.