Alan'ny Menabe Antimena: Manodidina ny 4 360 ha isan-taona no potika vokatry ny fanaovana tavy sy fikapana hazo

  • mardi, 05 février 2019 18:29
  • Sary nindramina

Reharehan’ny faritra Menabe ny fananana alan'ny Kirindy na ala faly, izay ao anatin'ny valanjavaboary Menabe Antimena. Tsiriritin’ny vahiny, ary mahasarika mpizahatany maro izy io noho ireo zavamaniry toy ny reniala (baobab) sy biby tsy fahita firy ao aminy.

Potika andro aman’alina anefa izy io, ary mihazakazaka izany fahapotehana izany tato anatin’ny folo taona farany, hatramin’ny 2009, vokatry ny fanapahana hazo voamboana (palissandre), manampy trotraka ny doro ala hanaovana tavy ambolena katsaka toy ny hita amin’ny tapany andrefan'ny lalam-pirenena faha-18 mankany Belo Tsiribihina, lalàna andehanana rehefa mankany Bekopaka, iny lalana misy an'ny « Relai du Kirindy » iny.

Aman-jatony (600 raha kely) ny bolabola voamboana nisy nanapaka tratra tao anatin'io ala io nefa dia faritra arovana misy mpitantana.

4 360 ha isan-taona eo ny ala may noho io tavy io, fa tamin'iny taona 2018 iny no tena goavana ny fahamaizana satria dia tombanana ho 50ha isan'andro no may teo anelanelan’ny volana jona ka hatramin'ny oktobra 2018. Ary ireo ala nodorana ireo dia avadika fambolena katsaka. in-telo fotsiny io tany io no ambolena katsaka dia avy eo mikisaka mandoro ala hafa indray ireo mpanao izany, izay mpifindra monina avy any atsimon’ny Nosy no misy manakarama manao azy.

Ny tany avy nambolena katsaka dia avadika ho fambolena voanjo na voamaina indray rehefa tsy mety atao katsaka intsony. Ary isaky ny alohan'ny hamboly dia dorana foana ilay toerana aloha.

Ny voanjo vokatra avy eo misy mpandray satria misy Sinoa mpanangona vokatra. Fa ny katsaka no tena miteraka an'ilay olana satria mpanao politika no manangona azy io ary mivarotra any Antsirabe amina kamiao « semi-remorque » maromaro.

Noho ireo olona manam-pahefana tafiditra amin'io sehatra io dia tsy mahomby ny fampanarahan-dalàna ataon'ny fiadidiam-paritra misahana ny tontolo iainana refa mba misy izany, eo ihany koa ny kolikoly.

Tsy mitsaha mitombo ny mpiavy ary misy manafatra mihitsy aza hanao an'ilay asa fambolena katsaka anaty ala faly. Ny tanànan’i Lambokely fotsiny izao dia mponina miisa 3000 no teo tamin'ny 2013, fa ankehitriny izy efa lasa 20 000 ny isan'ny mponina ao. Raha izao no mitohy dia afaka dimy taona dia ho ripaka tanteraka ilay ala aty. Amin'izao dia efa ao anaty ala mihitsy ny olona no manorina tanàna. Ny politika no anisany nibahan-toerana ka tsy mety maha voavaha an'ilay olana.

Araraotin'ny mpanam-bola fotsiny ireo mpiavy ireo hanao an'io asa mandika lalàna io, nefa ireo olona mikarama ireo no migadra rehefa tratra, ny karama rahateo tsy ampy hivelomany mandavan-taona akory fa dia mitsipozipozy eny foana ny fiainany, nefa ny ala potika ihany.

Ny olona efa nonina hatry ny ela ato amin'ilay faritra dia mahatsapa fa iharan'ny tsy rariny satria ny ala narovan-dry zareo hatry ny ela no io indro fa ravan'ny mpikarama anaty fotoana fohy ary ahazoan-dry zareo vola.

Ny olona mpamboly vary amin'ity faritra ity dia mitaraina, satria efa ny ala any an-doharano, izay mpanondraka ny tanim-bary, no misy manetika (tavy).

Ny mpikaroka dia mahita fa loza goavana io zava-miseho io raha tsy misy fandraisana andraikitra haingana, satria marefo loatra ity faritra ity.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.