Faritra ambony Antananarivo: Vatobe enina ahiana hianjera

  • lundi, 04 février 2019 21:43
  • Sary nomena

Noho ny fianjeran’ny vatobe izay nitranga teny Ampamarinana omaly, izay nahafatesana olona 4 sy naharatrana olona miisa11 dia nandray ny andraikiny ny ao anivon’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA).

Nanao rodobe nijery ifotony teny an-toerana ny zava-nitranga ny delegasiona, notarihan’ny Delege ny boriboritany faha efatra, ny sampana GRC (Gestion des risques et catastrophes) ao anivon’ny CUA, ny mpamonjy voina ary ny DAJ (Direction des affaires juridiques et contencieux), niampy ny Fokontany teny an-toerana no nanatanteraka izany.

Ny asa dia niompana tanteraka tamin’ny fijerena ireo vatobe mbola hatahorana hitera-doza miampy ny fanomezana ny fampitandremana ireo tompontrano izay manana trano amin’ireny toerana ahiana ireny, ny hialany avy hatrany ny toerana.

Raha ny voatsirika dia mbola miisa enina ireo vatobe izay mbola mety hihotsaka, ka atahorana hitera-doza, anisan’izany ny faritra Ambatobevanja, Ambatovinaky izay ao anatin’ny Boriboritany voalohany.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.