Toamasina: Nanatitra fanafody kitrotro tao amin'ny Hopitaly Be ny SPAT

  • jeudi, 10 janvier 2019 21:20
  • Sary Gasypatriote Toamasina

Baoritra misy fanafody maromaro araka ny lisitra tena ilaina amin’ny fitsaboana ireo zaza voan’ny kitrotro tsaboina eo anivon’ity sampana fitsaboana zaza ao amin’ny hopitaly be ity ireto naterin’ny SPAT tamin’ny alalan’ny Atoa Zandry Séraphin, talen’ny mpiasa sy ny maha-olona eo anivon’ny orinasa, sy ny lehiben’ny depertemanta misahana ny fitsaboana sy ny farmasia eo anivon’ny seranan-tsambo izao.

Ampahany faharoa tamin’ny fanampian’ny SPAT izao naterina izao, izay hanaovana vonjy taitra ireo zaza marary vao miditra hopitaly, ka aorian’ny roa andro ny fitsaboana maimaim-poana ankoatra ireo tena tsy manan-koraisina mihitsy, dia anjaran’ireo ray aman-dreny indray no mividy izany eny amin’ny mpivaro-panafodin'ny hopitaly, na eny amin’ny farmasia ivelany.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.