Sambava: Kolonely misotro ronono, Conseiller Municipal, nilanjan’olona sorabaventy ho mandrava tany

  • jeudi, 27 décembre 2018 12:21
  • Sary Gasypatriote Sambava

Raikitra ny savorovoro tao Belle Souvenir Parcelle B, raha nahita fa indro nisy hanidy azy ireo tao anaty fefy, ka fantatra taty aoriana fa ny Conseiller Municipal no ao ambadik’izao, ka notoherin’ireto ny fanohizana ny asa.

Omaly dia nidina teny an-toerana ny tompon’andraikitra amin’ny Kaominina, nijery ny olana misy teo amin’ny andaniny sy ny ankilany.

Etsy ankilany dia nilaza ny Kolonely Samby Théodore fa tsy niditra an-keriny izy fa nividy tamin’olona, ary ananany taratasy mazava tamin’izay olona nividianana azy ka nangataka mba avela malalaka hiditra amin’ilay tany.

Fa ireo izay tafiditra ao anatin’io faritra io dia tsy hanaiky mora izany fa aleo ampakarina any amin’ny Fitsarana mba hahitana ny marina fa tsy izay manamboninahitra na mpanambola ihany no handrava ny taninay, hoy izy ireo.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.