Oniversiten'i Toamasina: Misavorovoro

  • mercredi, 24 octobre 2018 09:32
  • Sary Gasypatriote Toamasina

Nampiato ny fampianarana ao Barikadimy ny filohan'ny oniversiten'i Toamasina, Velo Jérôme, noho ny grevy misy ao an-toerana efa ho roa heinandro izao.

Ny antony dia ny fampiharana ny rafitra LMD (Licence-Master-Doctorat) tamin'ny fomba fanaovana ny fanadinana farany teo, ka niteraka tsy fahafahana maro teo amin'ny mpianatra.

Mitaky ny "compensation de note" ireo mpianatra, mitaky ny fametraham-pialan'ny filohan'ny oniversite, ary mitaky ny fanalana ny sojabe ny DEGMIA ihany koa.

Nobahanan'ny mpianatra ny vavahady, ny varavarana miditra ny birao ao Barikadimy, ary nakaton'izy ireo ny efitrano fianarana.

Ho fisian'ny filaminana amin'izao fotoam-pifidianana izao koa no antony mba tsy hilazana fa mpanakorontana fifidianana ny mpianatra ao Barikadimy mitokona izao ity.

 

 

Galerie d'images (Cliquer sur la photo)
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.