SSME andiany faha-25: Hamafisina ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo

  • lundi, 22 octobre 2018 21:37

Taty Mahajanga no nanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny Herinandron’ny fahasalaman’ny Reny sy ny zaza (SSME) andiany faha-25, izay nanomboka androany alatsinainy 22 oktobra hatramin’ny 26 oktobra izao.

Omena lanja manokana mandritra ity andiany ity ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo iarahana amin’ny ONN.

Tolotra maro samihafa maimaimpoana no azon’ny Reny sy zaza latsaky ny dimy taona sitrahana mandritra ny hetsika Herinandron’ny fahasalaman’ny Reny sy ny zaza, toy ny fanaovam-bakisiny, ny fizarana vitamina A, ny fisafoana sy fitiliana VIH ho an’ ny vehivavy bevohoka.

Manakaiky ny Fokontany sy ny tanàna lavitry ny tobim-pahasalamana ihany koa ny mpanentana ara-pahasalamana manome ny tolotra rehetra raha mihoatra ny dimy kilometatra miala ny trano fonenana izany.

Raha ho an’i Mahajanga manokana, mbola mahatratra 2 543 ireo tsy nahavita ny DTC3 na ny andiam-bakisiny fanao mialohan’ny faha herintaonan’ny zaza.

Efa latsaky ny 5% kosa ny tahan’ny tsy fanjarian-tsakafo ato anatin’ny faritra Boeny, ka distrika telo no ahitana taha ambony dia ny Distrikan’i Mahajanga I, Mahajanga II ary Marovoay.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.