Antsirabe: Voasambotra indray ireo mpamerin-keloka amin'ny aferan-drongony

  • vendredi, 19 octobre 2018 19:04
  • Sary Gasypatriote Antsirabe

Olona 13 no natolotra ny Fampanoavana noho ny fahatratrarana rongony teto Antsirabe.

Toerana efa malaza amin’ny aferan-drongony moa iny Atsimontsena iny ka nisy hetsika manokana nataon’ny Polisim-pirenena Antsirabe ka nahatratrarana ireto olona ireto niaraka tamin’ny rongony 2 kilao sy sasany izay efa vita fono hamidy ny sasany.

Nisy tamin’ireo olona ireo no mpivarotra sy mpanjifa ary nisy mihitsy ny tratra teo ampifohana izany zava-mahadomelina izany.

Nambaran’ny teo anivon’ny Polisim-pirenena fa isan’ny mitarika ny tsy fandriampahalemana ny fiparitahan’itony zava-mahadomelina itony ka izany no antony nanaovana ny hetsika.

Marihina fa efa nisy tamin’ireo olona ireo no mpamerin-keloka.

Nitazana teo ivelan’ny paositry ny Polisy moa ny fianakavian’ireto olona voasambotra ireto ka torana avy hatrany ny vehivavy iray raha vao nahita ireo voasambotra nalain’ny mpanao gazety sary.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.