Lalam-pirenena faha 7: Mpamily roalahy nifampikasi-tanana

  • mercredi, 17 octobre 2018 18:57
  • Sary Gasypatriote Antsirabe

Raikitra ny totohondry teo amin’ny mpamily roalahy ny tolakandron’ny talata 16 oktobra lasa teo, tamin’iny lalam-pirenena faha-7, raha iny efa hiditra an’Ambatolampy iny.

Efa hatramin’ny fiaingana tao Antsirabe no nifanejika izy roalahy ireto ary nifampisongona matetika mifandrombaka mpandeha satria samy tsy niara-nameno teny amin’ny tobim-piantsonana.

Somary nifampi-bahana nefa teny an-dalana ka saika nifampikasoka ny fiara. Tsy nahatanty ilay iray mpanao zotra tao Ambatolampy ka nijanona tampoka teo ampovoan-dalana ary nihantsy ady ilay mpamily iray, ary dia raikitra ny totohondry. Ny mpandeha no nanasaraka azy roalahy.

Nisy Zandary nitondra marary sendra nandalo ho any Ambatolampy ka nisakana teo amin’ny tranon’ny Kaompanian’Ambatolampy ary saika hitazona azy roalahy saingy nisy mpanao gazety roa tao amin’ilay fiara nisy ilay saofera voadaroka, nijoro vavolombeloa ka tsy nitazona indray ireo Zandary fa nandefa ireo fiara. Ilay nidaroka moa nijanona tao Ambatolampy rahateo.

Raha dinihina dia izao toetran’ny mpamily izao no anisany mitera-doza amin’ny lalam-pirenena faha-7.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.