Fiarovana ny zon'ny zaza: Aiza ho aiza ny Faritra SAVA ?

  • lundi, 08 octobre 2018 09:09
  • Sary Gasypatriote Sambava

Nidina taty SAVA ny herinandro teo ny avy any amin’ny Unicef Madagascar, notarihin-dRtoa Nicolette Moodie (Chef de section Protection de l’Enfant), manao dinidinika tamin’ireo mpisehatra miady ho an'ny zon'ny ankizy, ary hahitana inona ny zava-misy, ny olana na mety sakana raha misy izany tsy hahafahan’ireo ankizy misitraka ny zony.

Ny Talem-paritra ny mponina ato SAVA Dr Marinjara Paul Edhino dia nanambara fa "mila mametraka tetik’asa haingana isika mba hahafahana mampihena ireo herisetra mianjady amin'ny ankizy na mahazo azy ireo ihany koa".

Nivoitra teto ihany koa avy tao amin’ny Zandarimariam-pirenena fa tokony hametrahana fonja miavaka ireo ankizy tsy ampy taona izay tsy latsaky ny 180 no misazy ao Antalaha amin'izao, satria ny zavatra tsapanay hoy ireto dia raha tokony hahazo fahendrena izy ireo dia mifanohitra amin’izay ny hitanay fa lasa ireo indray no mitarika ny namany manao zavatra mamoafady aorian'ny sazy, ka mety lasa mahita lesona ratsy amin’ireo olon-dehibe izay mifangaroharo ao aminy, ka mba tokony hojerena ahoana no atao hanavahana azy ireo manokana toy ny misy any Antsiranana.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.