SAMBAVA: Fankalazana Nationaly ny Fanamafisana ny andron’ny vaksiny Polio

  • vendredi, 28 septembre 2018 07:53
  • Sary Gasypatriote Sambava

FARITRA SAVA miady amin'ny Polio, hoy ny Talem-paritra ny Fahasalamana Dr Sevamanana Serzhino, satria manana tanjona any amin'ny 234 261 ny zaza latsaka ny dimy taona no ho tratrarina mandritra ny telo andro amin'ny ady atao amin'ny poliomelita na ny kalemy.

Ny Tale Kabinetra ny Ministera Fahasalamam-bahoaka, Profesora RANDRIAMAROTIA Willy Franck, izay nisolotena ny Minisitra ny fahasalamana no nanambara fa taorian'ny nahazoantsika mari-pakasitrahana avy tamin'ny OMS tamin'ny volana Jona 2018, izay nilaza fa tapitra ny fivezivezen'ny otrik'aretina Poliomelita taorian'ny hetsika faobe miisa 13 fa resintsika ny Polio, fa na izany tsy midika fa tapitra ny ady, fa mbola mitohy satria ny taranaka Malagasy mitombo ka tsy maintsy mbola hamafisina lalandava ny fanaovana vaksiny ny zaza latsaky ny dimy taona.

Faritra 11 no hanamafisana izao ady atao izao fa taty amin'ny renivohitra ny Faritra SAVA no nanokafana azy tamin'ny fomba ofisialy teto Madagasikara,ary natrehin'ireo mpiara mihombon'antoka iraisam-pirenena, toy ny avy tao amin'ny OMS,Unicef,USAID.

Filaharana namakivaky ny tananan'ny Sambava no nisantarana ity hetsika ity omaly alakamisy 27 septambra, ary nanafarana mpanankato nanafana ny fotoana.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.