Village Touristique: Nesorina tamin'ny TVHFB ny fitantanana

  • samedi, 15 septembre 2018 08:36
  • Sary Gasypatriote Mahajanga

Naverin'ny ministeran'ny kolontsaina sy ny fampiroboroboana ny asa tanana ary fitehirizana ny vakoka amin'ny Kaominina ambonivohitr'i Mahajanga ny fitantanana ny Village Touristique Mahajanga.

Nosintonina ny fifanarahana mandritra ny 20 taona nomena ny TVHFB na ny Tanora Vonona Hampandroso ny Faritra Boeny tamin'ny taona 2016, ary naverina amin'ny Kaominina nanomboka ny 10 septambra teo ny fitantanana ity toeram-pitsangatsanganana ity.

Tsy nambara mazava ny anton'izao fanapahan-kevitra izao na dia hita avy ety ivelany, fa voakarakara tsara ny Village Touristique ary samy miaiky ny rehetra fa madio sy milamina izany. Misy ireo mpiambina manokana natao hanara-maso ny eny an-toerana indrindra ireo mpilomano.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.