Mahajanga: Nomarihana tamin'ny fizarana sakafo ho an'ny mpiara-belona ny famaranana ny ramadany

  • dimanche, 17 juin 2018 22:37
  • Sary Gasypatriote Mahajanga

Godrogodro, firafira, ranom-boankazo sy ny maro hafa, ireo no anisan'ny karazan-tsakafo nozarain'ireo mpino silamo ho an'ny mponin'i Mahajanga teny amin'ny Bord de la mer omaly hariva ho fanamarihana ny fifaranan'ny fifehezana.

Nahazo anjara tamin'izany avokoa na ny mpanaraka ny fivavahana silamo na tsia, hatramin'ireo mpitsangatsangana teny an-toerana.

Efa fanao isan-taona izao hetsika izao ary mitombo isan'andro ny sakafo zaraina sy ny olona misitraka izany. Ny fikambanana UMMI no anisan'ny manohana ny hetsika ankoatra ireo tsara sitra-po, ary ny Oustag Badroudine kosa no mitarika ny hetsika.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.