Betioky Atsimo: Tonga ny gropy vaovao mpihary herinaratra

  • jeudi, 07 juin 2018 16:49
  • Sary Gasypatriote Betioky Atsimo

Ny 3 jona no tonga teto an-toerana ity milina vaovao mpihary herinaratra ity. Efa andalana manao izay hampandeha azy ny teknisianin’ny Jirama amin’izao fotoana izao.

Manana tanjaka 360 KVA ilay gropy raha 210 KVA eo amin’izao fotoana no lanin'i Betioky.

Ny 08 mey lasa teo no nisintona lakolosy ny teto amin'ny GasyPatriote fa efa telo volana izay no tapatapaka sy tsy nisy jiro ny teto Betioky, dia izao taitra izao ireo tompon'andraikitra ka efa-bolana nijaliana tamin’ny herinaratra ny mponina teto an-toerana vao tonga izao milina izao.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.