Sambava: Mampiantrano ny JINTS andiany faha-7

  • lundi, 04 juin 2018 18:01
  • Sary Gasypatriote Sambava

Tanjona lehibe apetraka mandritra ity lalao ity ny fikolokoloana ny fahasalamana, ny lalao ara-panatanjahantena, ny firaisankina ary ny fitoriana filazantsara amin’ny alalan'ny talenta hoy Dr Sahondra izay tale Jeneralin’ny SALFA eto Madagasikara.

Dimy andro no haharetan’ny ity JINTS (Jeux Inter Salfa) ity, manomboka androany Alatsinainy 4 Jona 2018.

Nampahafantarina teto ihany koa fa ho ankalazaina amin’ny volana septambra 2019 ho avy izao ny faha-40 taonan’ny SALFA eto Madagasikara, ary ny JINTS andiany faha-8 dia hatao ao Mahamasina Antananarivo.

Ny tarigetran’ny SALFA dia hoe : Lehibe, modely, matanjaka ary mitory ny filazantsara.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.