Sociale

    • lundi, 03 février 2020 20:25
    • Sary nindramina

    Andron'ny Vehivavy: Nanolotra fanampiana ho an’ny fankalazana ny ONG Direct Aid

    Nanome soja, vary 110 lasaka, menaka 420 litatra, siramamy 15 lasaka ary ronono 960 boaty ny ONG Direct Aid, tolotanana ho fanomanana ny fankalazana ny Andron'ny Vehivavy 8 martsa. Tonga nanolotra izany teny amin’ny Ministeran’ny Mponina sy ny Fiahiana ara-tsôsialy ary ny Fampivoarana ny Vehivavy etsy Ambohijatovo, androany 3 febroary, i Allaoui Benaissa nisolotena ny ONG, nandray ny fanomezana amin’ny anaran’ny fitondram-panjakana ny Minisitry ny Mponina Naharimamy Lucien Irmah sy ny mpiara-miasa aminy. Hatao any Toliara ny fankalazana nasionaly ny Andron'ny Vehivavy amin’ity 2020 ity. (Jereo Sary Tohiny)
    Lire la suite ...
    • lundi, 03 février 2020 18:21
    • Sary: HCC

    Fambolen-kazo: Namita ny adidiny teny Tampoketsa ny fianakaviamben’ny HCC

    Nanatanteraka fambolen-kazo teny Tampoketsa ny fianakaviamben’ny mpiasan’ny Fitsarana avo momba ny Lalampanorenana (HCC) ny 1 febroary 2020, notarihin’ny filohany, Jean Eric Rakotoarisoa. Zanakazo 1500 fototra no voavoly tamin’io, izay hazo zanatany ny ankamaroany toy ny ananambo, pamba, mantali, kily, bonara, mahabibo, hazoala, « cannelle », acacia, ylang-ylang ary voandelaka ho fandraisana anjaran’ny HCC amin’ny fandrakofana ala sy famerenana ho maitso indray an’i Madagasikara. (Jereo Sary Tohiny)  
    Lire la suite ...
    • dimanche, 02 février 2020 20:01
    • Sary nomena

    Governemanta Indianina: Nandefa fanampiana ho an'ireo tra-boina noho ny andro ratsy

    Nihantsona teto amin’ny seranantsambon’Antsiranana ny sambo nitondra fanampiana avy amin’ny governemanta Indianina, entina hanampiana ireo tra-boina vokatry ny fandalovan’ny andro ratsy. Nahitana vary, fanafody, ronono, lamba firakotra sy fitafy, ary kojakoja isan-karazany ilaina amin’ny fiainana andavanandro tao anatiny. Tonga teto an-toerana nanolotra ny fanampiana ny Ambasadaoron’i Inde, Abhay Kumar, nandray izany tamin’ny anaran’ny governemanta Malagasy ny Praiminisitra Ntsay Christian. Nilaza ny ambasadaoro Abhay Kumar fa mbola misy ny fanampiana afaka entin’i Inde, fa miankina amin’ny tena filan’i Madagasikara izany, hoy izy, indrindra fa ireo faritra izay tena voa mafy noho ny fandalovan’ny andro ratsy teo. Ankoatra izay dia mandray ireo olona rehetra mila fitsaboana ny andiana mpitsabo ao amin’ity sambo ity, mandram-pialany eo amin’ny seranana. (Jereo Sary Tohiny)
    Lire la suite ...
    • dimanche, 02 février 2020 19:50
    • Sary nomena

    Praiminisitra Ntsay Christian: « Tsy mbola tafiditra eto Madagasikara ny valanaretina Coronavirus »

    Tonga nitarika fivoriana teny amin’ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Ivato ny Praiminisitra Ntsay Christian, androany 2 febroary maraina ; fivoriana nijerena ny fahavononan’i Madagasikara hiatrika an’izay zavatra mety hitranga manoloana ny fihanaky ny valanaretina « coronavirus » maneran-tany ho fiarovana ara-pahasalamàna ny Malagasy. Nitsidika ireo lamina napetraka amin’ny fanaraha-maso sy ny fandraisana ny marary raha sanatria ka tonga eto amintsika io valanaretina io, ny Praiminisitra niaraka tamin’ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, ny minisitry ny Rano, Fanadiovana sy Fidiovana, ny minisitry ny Fiarovam-pirenena, ny minisitry ny Raharaham-bahiny, ny minisitry ny Fitaterana, ny fizahan-tany sy ny Famantarana ny Toetr’andro, ny Sekeretera Jeneralin’ny governemanta, ary ny solon-tena maharitry ny OMS eto Madagasikara, sy teknisiana avy amin’ny Institut Pasteur de Madagascar.
    Lire la suite ...
    • dimanche, 02 février 2020 19:36
    • Sary nindramina

    Wuhan-Chine: Vita tao anatin’ny folo andro ny hopitaly vaovao hitsaboana ireo voan’ny « Coronavirus »

    Nanapa-kevitry zareo Sinoa fa hanorina hopitaly "préfabriqué" vaovao roa any ambanivohitr’i Wuhan, faritany nipoiran’ny valanaretina Coronavirus, handraisana an-tanana ireo marary noho ny hafenoan’ny hopitaly sy mba hifehezana ny fiparitahan’io valanaretina io. Hafoloana no fanamby nataon’ny Sinoa hamitana ny asa. Vonona ary afaka handray marary manomboka rahampitso alatsinainy 3 febroary ny hopitaly voalohany, « Huoshenshan Hospital » izay miorina amina velarantany 25 000 m² ary misy fandriana 1 000. Mpiasa 4 000 sy milina 100 no niasa andro aman’alina namita ny asa tao anatin’ny herinandro.
    Lire la suite ...
    • samedi, 01 février 2020 14:35
    • Sary nindramina

    La Gastronomie Pizza: Manofana ny mpiasany hiatrika ny fifaninanana

    Hentitra amin’ny fanajana ny fitsipika sy ny fenitra amin’ny fanaovan-tsakafo ny La Gastronomie Pizza. Miezaka manatsara ny tolotra sy ny fahaizamanaon’ny mpiasa ao aminy ihany koa ny orinasa, ka manome fiofanana ny mpiasa hanarahana ny fenitra sy hiatrehana ny fifaninanana. Mifandimby mandalo fiofanana ny sokajin’asa misy, ka farany teo dia ireo « Gérant » no nofanina tamin’ny lafiny maro hifanaraka amin’ny toetr’andro ny fahaizan’ izy ireo. Nanafatra « consultant » maromaro sy manampahaizana sy be traikefa avy amin’ny Ministera ny La Gastronomie Pizza tamin’ny fampiofanana.  
    Lire la suite ...
    • samedi, 01 février 2020 10:37
    • Sary: MENETP

    Andriamanana Josoa Iarintsambatra Rijasoa: Nanome toromarika ny mpampianatra mba hanao ny asany araka ny tokony izy

    Amperin’asa Rtoa Andriamanana Josoa Iarintsambatra Rijasoa, Minisitra vaovao misahana ny Fanabeazam-pirenena, sy ny Fampianarana ara-Teknika sy Arak'asa, taorian’ny fifamindram-pitantanana teo aminy sy Volahaingo Marie Thérèse, Minisitra nodimbiasiny toerana. Fanamafisana ny ady amin’ny kolikoly amin’ny antanan-tohatra rehetra manomboka eo amin’ny Minisitera Foibe ka hatreny amin’ny sekoly, no isan’ny nambaran’ny minisitra vaovao raha nandray fitenenana taorian’ny nandraisany fahefana. Fanamby apetrany hanatsarana ny kalitaon’ny fanabeazana sy ny fampiofanana ara-teknika. Nanome toromarika ny mpampianatra ny tenany mba hanao ny asany araka ny tokony ho izy satria ny mpampianatra no miantoka ny fampiroboroboana ny fanabeazana. Nilaza ny Minisitra fa tsy mitanila, tsy manao kitranoantrano ary misokatra ho an’ny rehetra ny varavarany. (Jereo Sary Tohiny)  
    Lire la suite ...
    • vendredi, 31 janvier 2020 20:34
    • Sary nindramina

    Rakotovelomanantsoa Voahary: Laharam-pahamehana ny famatsiana rano fisotro madio ny Malagasy rehetra

    Naverina hitokana ny Ministeran’ny Rano, ny Fanadiovana, sy ny Fidiovana, nosarahina tamin’ny Ministeran’ny Angovo sy ny Rano ary ny Akoranafo. Rakotovelomanantsoa Voahary no voatendry hitantana ity Ministeran’ny Rano, ny Fanadiovana, sy ny Fidiovana ity, araky ny didim-panjakana laharana 2020-070 nivoaka ny alarobia 29 janoary 2020. Tontosa omaly teny Faravohitra ny fifamindram-pahefana teo amin’i Christian Ramarolahy, Minisitra mpisolo toerana sy Rakotovelomanantsoa Voahary, Minisitry ny Rano, ny Fanadiovana, sy ny Fidiovana. Nambaran’ny Minisitry ny Rano, ny Fidiovana ary ny Fanadiovana fa laharam-pahamehana ny famatsiana rano fisotro madio ny Malagasy rehetra, miainga avy eny anivon'ireo distrika no hametrahana izany.  
    Lire la suite ...
    • vendredi, 31 janvier 2020 15:58
    • Sary nomena

    Faritra mando: Manana 20 i Madagasikara misandrahaka amin'ny velaran-tany 2 094 910 ha

    Ankalazaina isan-taona, isaky ny 2 febroary ny « Andro erantany ho an'ny faritra mando ». Naroso androany zoma 31 janoary 2020 ny fankalazana ho an’i Madagasikara, ka teny amin'ny « Parc Tsarasaotra » Antananarivo no nanatanterahana izany, izay notarihin'ny Minisitra Baomiavotse Vahinala Raharinirina. Ity rahateo no hetsika ara-panjakana voalohany nisehoany taorian’ny nanendrena azy ho minisitry ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra, ny alarobia 29 janoary teo. Ny « Parc Tsarasaotra » no kely velarana indrindra amin'ireo faritra mando miisa 20 eto Madagasikara izay voakilasy ao anatin'ny "Site Ramsar" ary misandrahaka amin'ny velaran-tany mirefy 2 094 910ha. Misy karazam- borona 68 ato amin'ity parc Tsarasaotra ity, ka miankina amin'ny rano na faritra mando ny 20 amin'ireo ary atahorana ho lany tamingana ny vorona miisa 4.
    Lire la suite ...
    • vendredi, 31 janvier 2020 15:34
    • Sary Ambatovy

    Ambatovy: Namonjy fianakaviana 400 traboina ao amin’ny Distrikan’Ambatondrazaka

    Nanolotra sakafo sy kojakoja vonjiranovaky miteti-bidy 20 tapitrisa Ariary sahaza fianakaviana traboina 400 ao amin’ny Distrikan’Ambatondrazaka ny orinasa Ambatovy, omaly. Ahitana vary 4 taonina, tsaramaso 1 taonina, menaka fihinana 600 litatra, siramamy 8 gony, ary savony 30 baoritra izany fanomezana izany.  
    Lire la suite ...
Page 10 sur 211