Sociale

    • mardi, 17 décembre 2019 22:57
    • Sary nindramina

    Fandraisana mpampianatra mpiasam-panjakana: 8500 ireo « contrat » kirakiraina « ampahibemaso » ao amin’ny INFP Mahamasina

    Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy, androany, tetsy amin’ny INFP Mahamasina ny « Guichet Unique » izay ikirakirana « ampahibemaso » ireo antontan-taratasy ho an’ireo voaray ho mpiasam-panjakana ka natrehin’ny rehetra teny anivon’ny Cisco tsirairay. Miisa 8500 ireo « contrat » ho karakaraina amin’izany, ka 700 no vinavinaina ho vitaina mialoha ny Noely. Fiaraha-miasa eo amin’ny ministeran'ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola, ny ministeran’ny Asam-panjakana ary ny ministeran'ny Fanabeazam-pirenena sy ny Fampianarana ara-Teknika sy arak'Asa izy ity. « Atao mangarahara, lavitry ny kolikoly, ary tsara tantana ny fanaovana ny fandraisana ho mpiasam-panjakana, izay tafiditra tanteraka ao anatin’ny vinan’ny fitondram-panjakana », araka ny nambaran’ny minisitra Volahaingo Marie Thérese. (Jereo Sary Tohiny)
    Lire la suite ...
    • mardi, 17 décembre 2019 22:55
    • Sary Gasypatriote Antsirabe

    Vakinankaratra: Hanomboka ny fitsirihana ny kalitaon’ny ronono

    Isan’ny sompitry ny ronono eto Madagaiskara ny faritra Vakinankaratra. Nifarana ny alakamisy 13 desambra teo ny fihofanana sy fanamafisam-pahalalana nataon'ireo vaomieram-paritra misahana ny fitsirihana ara-tekinika ny kalitaon'ny ronono eto Vakinankaratra rehefa naharitra telo andro. Nomena ny mpiofana ny famantarana ny kalitaon-dronono amin'ny fitaovana avo lenta, teo ihany koa ny fikirakirana ireo fitaovana hanatanterahana ny fitsirihan-dronono, ary nofaranana tamin'ny fampiharana mivantana ka toerana vitsivitsy teto Antsirabe izay mikirakira ny ronono no nanaovana izany.
    Lire la suite ...
    • lundi, 16 décembre 2019 21:21
    • Sary Gasypatriote Antsirabe

    Antsirabe: Nizara vatomamy ho an’ny rehetra ny mpiasan’ny Tahirimbolam-panjakana

    Hetsika miavaka no nentin’ny sosialin’ny mpiasan’ny Tahirimbolam-panjakana Antsirabe anamarihana ny fetin’ny Noely 2019 ity. Nizara vatomamy ho an’ireo olona rehetra nanan-draharaha tao aminy izy ireo nanomboka androany 16 desambra, ary hitohy hatramin’ny 24 desambra izao. Nambaran’i Mbola, filohan’ny sosialy eo anivon’ny Tahimbolam-panjakana Antsirabe fa hetsika efa fanaon’izy ireo ity, saingy novelarina bebe kokoa ho an’ny daholobe tamin’ity indray maka ity, ary heverina fa hotohizana. « Latsakemboky ny mpiasa no anatanterahina izao asa sosialy fizarana vatomamy ho an’ireo rehetra manan-draharaha ao amin’ny Tahirimbolam-panjakana Antsirabe izao », hoy i Mbola. (Jereo Sary Tohiny)  
    Lire la suite ...
    • lundi, 16 décembre 2019 20:35

    Bakalorea « 2ème session exceptionnelle »: Mitaraina ho mbola tsy nahazo ny volan’ny « Ordre de route » ireo mpitsara fanadinana

    Roa volana latsaka aty aorian’ny nahavitan’ny bakalorea « 2ème session exceptionnelle », izay notanterahina ny 23 ka hatramin’ny 26 oktobra 2019 nanerana ny tanin’ny Repoblikan’i Madagasikara, mitaraina ireo mpitsara fanadinana fa tsy mbola nahazo vola solon’ny sarandalana na « Ordre de route » namitana iny fanadinam-panjakana iny. Nanamafy ireo mpitsara fa « efa azo ny « vacation » fa ny OR (Ordre de route) no tsy mbola voaray, izay tokony ho 120 000 Ariary isan’olona eo ho eo ».
    Lire la suite ...
    • lundi, 16 décembre 2019 19:46
    • Sary nomena

    Fiatrehana ireo loza voajanahary: Nanolotra 50 tapitrisa dolara ho an’i Madagasikara ny Banky Iraisam-pirenena

    Natao androany 16 desambra 2019, tao amin’ny lapam-panjakana Ambohitsorohitra, ny fanaovan-tsonia izany fifanarahana izany. Hiantoka ny fametrahana rafi-piahiana ara-sosialy ihany koa izao petra-bola izao mba hanafaingana ny fahatongavan’ireo fanampiana eny amin’ireo tra-boina. (Jereo Sary Tohiny)
    Lire la suite ...
    • samedi, 14 décembre 2019 12:13
    • Sary Mesupres

    Bakalorea 2019: Nankasitrahana ireo mpianatra sangany manerana ny faritra 22

    Notolorana taratasy fanamarihana fahamendrehana ireo mpianatra sangany tamin’ny fanadinana bakalorea 2019 manerana ny Faritra 22 eto Madagasikara. Noraisina teny amin’ny ministeran’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa eny Fiadanana ireto mpianatra ireto. Nampirisika an’ireto tanora ireo ny Minisitra ny hitazonana izay haitsara ananan’izy ireo izay hatrany amin’ny tanjona tiany hotratrarina.    
    Lire la suite ...
    • samedi, 14 décembre 2019 10:47
    • Photos Fournies

    Appel à projet: Création de l'EiC Madagascar

    Dans le cadre du processus de la mise en place de l’association EiC MADAGASCAR, qui est une entité faisant partie intégrante de EiC Corporation Internationale et sous la directive de cette dernière, l'EIC Madagascar sollicite les personnes qui ont la qualité de Président, responsables: - Département Services;- Département Programmes;- Département Diplomatie;- Département Projet;- Département Colloques et Evènements;- Département Appel d'offre/Consulting.    
    Lire la suite ...
    • jeudi, 12 décembre 2019 23:21

    Fitakiana « heures complémentaires »: Mandiso ny voalazan-dRamatoa Minisitry ny Fampianarana Ambony ny SECES

    Mihenjan-droa ny tady eo amin-dRamatoa Minisitry ny Fampianarana Ambony sy Fikarohana ara-tSiansa, Pr Blanche Nirina Richard sy ny Sendikan’ny mpampianatra-mpikaroka sy mpikaroka-mpampianatra. Nitondra fanazavana mikasika ireo olana miseho eny anivon’ny Oniversite Ramatoa minisitra, nandrindra ny filankevitry ny minisitra omaly, izay nanazavany fa « mahatratra 300 lavitrisa Ariary ny « heures complémentaires » takian’ireo mpampianatra mpikaroka ». « Mihoampampana » hoy ny tatitry ny filankevitry ny minisitra.
    Lire la suite ...
    • mardi, 10 décembre 2019 20:15
    • Sary nomena

    Rivodoza « Belna »: Nidina nijery ny zava-misy tao Mahajanga sy Soalala ny Praiminisitra

    Taorian’ny nandalovan’ny rivodoza Belna tamin’ny faritra andrefan’ny nosy dia nitarika delegasiona avy amin’ny governemanta, nidina tany Mahajanga I sy Soalala, izay niharan’ny loza, ny Praiminisitra Ntsay Christian, nijery ny fahavoazana sy nitondra fanampiana ho an’ireo traboina. Hita tany an-toerana fa tao Mahajanga I dia olona 172 avy amina tokantrano 59 no tsy maintsy nafindra toerana. Maro ny zavatra simba tao amin’ny Distrikan’i Soalala, toy ny firodanan’ny fefiloha miaro ny tanàna, ny fiendahana tafon-trano, ny fahatapahan-jiro, ny vovo dibo-drano, ny tsy fisiana rano fisotro madio, ny mety ho fahasimban’ireo fanafody fiandry ao amin’ny CSB any an-toerana, ny faharendrehana botry iray. Izany rehetra izany dia niteraka fahavoazana ho an’olona miisa 1300.
    Lire la suite ...
    • mardi, 10 décembre 2019 16:03
    • Sary Njaka

    Carlton: Ady atao amin'ny herisetra sy fanolanana ary ny fanararaotana ara-nofo

    “Isika rehetra miady amin’ny herisetra, indrindra ny fanolanana”, izany no lohahevitra nobanjinina ny 6 desambra 2019 tetsy amin’ny Carlton Anosy, tao anatin’ny valan-dresaka arahina ady hevitra izay notronon’ireo mpiasa avy amin’ny ministeran’ny mponina sy ireo olo-tsotra. Hita tokoa amin’ny fiainana andavanandro ireo endrika isehoan’ny herisetra sy ny fanolanana, raha araka ny tahan’isa misy eo amin'ny fanadiadiana natao tamin’ny 2018, izay milaza fa 32 isanjaton’ny vehivavy nohadiadiana dia niharan’ny herisetra tao anatin’ny 12 volana, ary 14 isanjaton’izy ireo no efa tratran’ny fanararaotana ara-nofo. Raha ny eto Antananarivo manokana no jerena dia efa tafiakatra 18 isan-jato izany fanararaotana ara-nofo izany.
    Lire la suite ...
Page 9 sur 204