Sociale

    • jeudi, 08 mars 2018 22:53
    • Sary Gasypatriote

    Anjely mainty Anosy: Ho tapitra hatreo ve ny fitsangatsanganan'ny mpifakatia?

    Toerana fantatr'ireo mpifankatia maro ny eny amin'ny Anjely mainty, izay lasa fotsy taty aoriana etsy Anosy. Malaza io toerana io, fa izay mpifankatia mandeha eny dia misaraka, ary izay te hisaraka kosa minia mandeha eny dia vao maika miaraka. Tantara avokoa moa izany, fa nosokafan'ny Filohan'ny Repobliaka Hery Rajaonarimampianina, niaraka tamin'ireo mpikambana ao amin'ny governemanta sy Andrimpanjakana maro teto amintsika ilay zaridaina etsy Anosy.
    Lire la suite ...
    • mercredi, 07 mars 2018 11:18
    • Sary Njaka

    Befelatanana: Service des Urgences Pédiatriques

    Notokanana tetsy amin’ny hopitaly Befelatanana omaly maraina talata 06 marsa ny toerana sy ny fitaovana izay misy ny Service des Urgences Pédiatriques, izay notarihin’ny filoha Hery RAJAONARIMAMPIANINA sy ny vadiny ary ireo mpikambana ao amin’ny governemanta sy ireo mpiara-miombon’antoka vahiny maro, teo ihany koa ny Talen'ny Hopitaly.
    Lire la suite ...
    • vendredi, 02 mars 2018 08:42

    Taratasin'ny mpamaky: Kolikoly anaty fonja

    Araka ireny antso nataonao ireny Président Patrick dia vonona aho hijoro vavolombelona amin'ny zavatra niaina taty am-ponja. Izaho taty Diego no MD, narary mafy aho tao am-ponja, nandeha infirmerie tao dia 22 ny tension tamin'izay, dia hoy ilay Major tamiko, tsy misy zon'olombelona aty fa ianareo gadra no anaranareo. Dia nitaraina tamin'ny Chef d'établissement ny reniko sy ny vadiko dia nangatahiny 1 million ariary (5 millions fmg) dia avelany hamonjy hopitaly.
    Lire la suite ...
    • mardi, 27 février 2018 16:42
    • Sary Gasypatriote Sambava

    Sambava: Adiny roa isan’andro ny jiro azo omena ny mpanjifa madinika

    Mandalo fahasahiranana ara-pitaovana isika eto amin’ny JIRAMA Sambava hoy ny Tale Rabeatoanina Hubert androany. Simba ny milina roa izay manana tanjaka 1200KVA sy 300KVA izay tokony ho fanampin’ireo milina efatra izay mandeha amin’izao. Noho io dia tsy maintsy manaisotra hatrany amin’ny 800KW isika ka izay ny antony tsy miampisy jiro any amin'ny kartie sasany raha tsy adiny roa na telo isan’andro fotsiny. Ireo kartie misy biraom-panjakana sisa no vatsiana jiro 20/24 ora.
    Lire la suite ...
    • mardi, 27 février 2018 15:02
    • Sary Gasypatriote

    Fahasalamana: Mila vonjy i Miorda kely

    Tratry ny fivontosana amin’ny loha i Rasoarinirina Fanomezantsoa Miorda. Tsy mitsaha-mitombo io fivontosana io hatramin’ny nahaterahany. Zazavavikely vao iray volana nahaterahana i Miorda, teraka ny 28 janoary 2018 tao Ambodiangezoka Andapa. Tsy voatsabo tany SAVA ny aretiny ka nakarina aty Antananarivo. Ny alahady 11 febroary 2018 no niala teto Sambava ny fiaramanidina nitondra azy mianaka hanaraka fitsaboana any Antananarivo. Nifarimbona tamin’ny fandefasana azy ireo ny sampandraharahan’ny mponina, ry zareo avy amin ny Association Compassion Madagascar, ary ny solombavam-bahoaka Zoky Vonjy.
    Lire la suite ...
    • dimanche, 25 février 2018 15:17
    • Photos Gasypatriote

    Formation sur le travail parlementaire: Pour plus de transparence

    35 journalistes issus de multiples médias d’envergure nationale et régionale ont bénéficié d’un renforcement de capacité sur le fonctionnement du Parlement à Madagascar. Peut-on parler de plus d’accès sur les informations auprès des deux chambres ? Suite aux recommandations exprimées par les participants, cette perspective serait envisageable. Toutefois, le mur se dresse devant le haut-lieu de débat démocratique qui est le travail des commissions tenu en huis clos selon les règlements internes de l’Assemblée Nationale et le Sénat. Or pour tout média d’analyse qui se respecte, la mention des points importants débattus lors de cette séance peut être déterminant voire influente vis-à-vis de l’audimat. Pour le moment les rapports techniques de cet atelier organisé par Friedrich Ebert Stiftung et EISA seront transmis auprès des principaux concernés et la formation aura muni les journalistes présents à Antsirabe du 20 au 22 février 2018 à plus de connaissances sur les rouages du fonctionnement parlementaire.  
    Lire la suite ...
    • dimanche, 25 février 2018 15:11
    • Sary Gasypatriote

    Onjam-piainana: Nofinofin'i Hanitra kely ny mba hiditra an-tsekoly

    Zanak'i Rtoa Ritah i Hanitra kely. 8 taona ity farany ity. Telo mianadahy ny zanako ho Rtoa Ritah, fa tsy nety ny roa. Avy any Fianarantsoa izy ireo, no niakatra teto Antananarivo ny taona 2016, nitady asa. Noho ny taonako hoy Rtoa Ritah dia tsy nety nahita asa aho hany ka tavela ety amoron-dalana izahay, mangataka. Mba te hampiditra an-tsekoly an'i Hanitra kely aho, ary nofinofiny ny hianatra fa tsy arako. Zara raha misy atao sakafonay mianaka ny vola mba omen'ny olona antra anay.  
    Lire la suite ...
    • lundi, 19 février 2018 21:37
    • Sary Gasypatriote Fianarantsoa

    Fianarantsoa: Nandahatra momba an'i Houcine Arfa i Maître Olala

    Nandray anjara tamin'ny fampitam-baovao sy fampahafatarana momba ny "Arfagate" teto Fianarantsoa ity mpisolovava kalaza ity. Nasiany tsindrim-peo ny fifanarahana amin'ny firenena frantsay sy malagasy amin'ny fampiharana ny zo sy lalàna azo anenjehana sy iarovana an'i Houcine Arfa izay tokony hanefa sazy eto Madagasikara. Nambaran’ny Maitre Razafinjatovo Willy fa resy lahatra amin'ny zavatra nambaran'ity vazaha ity ny tenany rehefa niresaka taminy. Tsy nisy anefa ny fanamarinana sy fitsipahana ny zavatra niseho tao anatin'ny famelaberana natrehan'ny mpanara-baovao eto Fianarantsoa arak'izao hetsika karakarain'ny Amis de Lakroa izao.
    Lire la suite ...
    • lundi, 19 février 2018 08:51
    • Photos Présidence

    Ambatolaona: Visite au Centre National d’Entrainement des Commandos

    Le Président au Centre de formation des commandos de l’armée à Ambatolaona: Sensibilisation sur l’entretien des infrastructures Le Président de la République, Chef Suprême des Forces Armées, a effectué une visite au Centre National d’Entrainement des Commandos, à Ambatolaona, dans la matinée de ce 13 février 2018. Il était notamment accompagné du Ministre de la Défense Nationale, le Général de Corps d’Armée Rasolofonirina Béni Xavier. Le Chef de l’Etat a assisté à quelques démonstrations des commandos en formation au CNEC, lequel dispose de vastes espaces terrestres et de plans d’’eau pour ce faire. A relever que la formation s’étale sur une période de 21 jours, à travers d’intenses épreuves physiques et psychologiques, avant l’obtention du Brevet de Commando ; la formation est rigoureuse car, à chaque vague de postulants, la moitié abandonne.
    Lire la suite ...
    • lundi, 19 février 2018 08:12
    • Sary Gasypatriote Mahajanga

    Jono: Hentitra ny fanaraha-maso aty Boeny

    Hentitra ny sampandraharaham-paritry ny jono eto Boeny amin'ny fanaraha-maso ireo mety ho endrika tsy fanarahan-dalana rehetra miseho. Makamba lena maherin'ny 50 kilao no noraofin'ireo mpanao fisavana teny Morafeno bazary Mahabibo. Mbola mikatona ny fanjonoana makamba hatreto ary efa nanaovana fampahafantarana izany fikatonana izany. Efa tokony nanao fanambarana tany amin'ny sampandraharaham-paritry ny jono ireo mpanangom-bokatra sy trano fandraisam-bahiny manana tahiry.
    Lire la suite ...
Page 8 sur 156