Sociale

    • jeudi, 24 mai 2018 21:28
    • Sary nindramina

    Ambositra: Mankalaza ny faha-45 taonany ny Lycée Rakotoarisoa

    1973-2018, feno 45 taona ny Lycée Rakotoarisoa Ambositra. Nisy omaly ny carnaval nataon’ny mpianatra nanamarihana izany. Aty an-toerana ny minisitry ny fanabeazam-pirenena Paul Rabary hanome voninahitra ny lanonam-pankalazana rahampitso zoma 25 mey 2018. (Jereo Sary Tohiny)  
    Lire la suite ...
    • jeudi, 24 mai 2018 08:46
    • Sary nomena

    Volana Ramadany: Nanolotra fanampiana ho an’ny mpino Silamo ny fitondram-panjakana

    Nanolotra vary 100 kitapo, lafarina 49 kitapo, siramamy 50 kitapo ary menaka 100 litatra, ho an’ireo mpino silamo ao amin’ny Mosquée 67 Ha ny fitondram-panjakana. Tonga teny an-toerana sady niarahaba ny mpino silamo ny Praiminisitra, Lehiben’ny Governemanta, Mahafaly Solonandrasana Olivier, narahina Mpikambana sasantsasany ao amin’ny Governemanta no solon-tena tamin’izany. (Jereo Sary Tohiny)  
    Lire la suite ...
    • mercredi, 23 mai 2018 18:40
    • Sary nomena

    Association Fanaperana: Manabe ankizy manana fahasembanana

    Fikambanana manabe ankizy manana fahasembanana avy amin’ny fianakaviana sahirana ny Association Fanaperana. Miisa 16 ireo ankizy tezaina ao, ka manaraka fitsaboana ny 6 amin’ireo. Misedra fahasahiranana ny fikambanana noho ny tsy fahampian’ny fanafody. Vokatr’io tsy fahampian’ny fanafody io dia nindaosin’ny fahafatesana tamin’ny volana aprily 2018 lasa iny ny iray tamin’ireo zaza tezainy ao, izay no anaovan’ny Association Fanaperana (032 41 243 55/033 45 897 32) antso amin’ireo malalatanana sy izay afaka manampy, indrindra ny fanafody. Niroina ara-panjakana tamin’ny 2008 ny Association Fanaperana, izay manana ny foibeny eny Soamanandrariny, Collège Les Colchiques - Mahazo Soamanandrariny. (Jereo Sary Tohiny)  
    Lire la suite ...
    • mardi, 22 mai 2018 18:41
    • Sary Gasypatriote Ambatondrazaka

    Ambatondrazaka: Nanohana ara-pitaovana ny hopitalibe ny Rotary Club Lac Alaotra

    Nanolotra fitaovam-pitsaboana ho an’ny CHRR Ambatondrazaka ny Rotary Club Lac Alaotra. Notanterahina nandritra ny fitsidihan’ny governora 9220 Atoa Manoj Vagee taty an-toerana izany, izay nitokanana tsangambato ho mariky ny firoboroboan’ny fikambanana aty Ambatondrazaka. Nambaran’Atoa Manoj Vagee fa “tsy afaka hiatrika ny hoavy raha tsy misy fahasalamana” koa noderainy ny Rotary Club Lac Alaotra nisafidy ny fanaovana asa soa tao amin’ny hopitaliben’Ambatondrazaka. (Jereo Sary Tohiny)
    Lire la suite ...
    • lundi, 21 mai 2018 19:38
    • Sary Gasypatriote Toamasina

    Haivoaary: Nahita vitsika karazany vaovao, nomena anarana « AMBATOVY »

    Nahita vitsika tsy fahita raha tsy ao Ambatovy ny mpikaroka ao an-toerana. Nomena anarana hoe : “Ambatovy” ireto karazam-bitsika vaovao ireto, ary nampidirina amin’ireo haivoary Malagasy tsy fahita eto ambonin’ny tany ihany koa. Ankoatra izay dia hita ao Ambatovy ny 225 amin’ireo zava-maniry “orchidées” 1.000 karazany misy eto Madagasikara, ka ny 09 amin’izany dia karazany vaovao tsy fahita eran-tany ary eo am-panomezana anarana azy ireo ny teknisiana sy manampaizana Malagasy sy vahiny ankehitriny izay hivoaka tsy ho ela ny valiny.
    Lire la suite ...
    • lundi, 21 mai 2018 15:33

    Manahoana ny rafitry ny Fiangonana Katolika, Inona izany Cardinal izany

    Voatendrin'i Papa François, omaly alahadin'ny Pantekoty, ho Cardinal ny Arsevekan'ny Toamasina Désiré Tsarahazana, ka tsara hitondrana fanazavana fohy momba ny rafitra Katolika. Ny Katolika na ny EKAR - Eglizy Katolika Apostolika Romanina - dia misy ireo Kristianina Laika vita batemy, misy ireo Relijiozy, frera, masera ary mopera. Ny Fiangonana dia manana rafitra, ny Paroasy, na ilay Fiangonana hitatsika eny amin'ny fiaraha-monina isam-pokontany ireny.Misy ny Diosezy, izay mifandraika mitovitovy amin'ny Région eto amin'ny Firenena, ary misy ny foibe any Vatican.Ny Diosezy dia mety misy Distrika maromaro ao anatiny.
    Lire la suite ...
    • vendredi, 18 mai 2018 21:52
    • Sary Gasypatriote Fianarantsoa

    Befeta-Fianarantsoa: Mpampianatra naratra mafy notifirin'ny dahalo

    Tonga namangy ny mpanabe iray voatifitry ny jiolahy nanakan-dalana mankany Befeta ny alarobia 16 mey 2018 teo ny solotenan'ny vovonan'ny sendika mpiasam-panjakana eto an-toerana. Voatifitra tany amin'ny lohany izy raha maty tsy tra-drano ny mpandeha teo anilany ary voa amin'ny tanany roa kosa ny mpamily fiara mpitatitra.
    Lire la suite ...
    • jeudi, 17 mai 2018 20:11
    • Sary nomena

    Mpilatsaka an-tsitrapo: Amerikanina 44 mianadahy nanao fihanianana

    Nampanao fihanianana mpilatsaka an-tsitrapo tao amin’ny Corps de la Paix miisa efatra amby efapolo ny Mpiandraiki-draharaha Amerikanina Stuart Wilson ny andron’ity alakamisy 17 mey 2018 ity; izany dia natao teny amin’ny toeram-piofanana Mantasoa. Hiasa eo amin’ny sehatry ny fambolena sy fahasalamana ireo mpilatsaka an-tsitrapo ireo. Nahavita fiofanana nandritra ny telo volana izy ireo; fiofanana momba ny fomba sy teny malagasy, ary teknika mifanaraka amin’ny sehatra misy azy ireo. Izao izy ireo dia vonona ny hiasa any amin’ny tanàna izay hiasan’izy ireo mandritra ny roa taona.
    Lire la suite ...
    • jeudi, 17 mai 2018 15:51
    • Sary Gasypatriote Mahajanga

    LTP Mahajanga: Tonga namaha olana ny delegasiona avy any Antananarivo

    Faha-efatra herinandron'ny fitokanana sy nahatapaka ny fampianarana teo anivon'ny LTP Mahajanga, tonga taty an-toerana ny avy amin'ny ministera mpiahy izay notarihin'ny sekretera jeneraly namaha ny olana. Navory ireo ray aman-drenin'ny mpianatra sy ny tompon'andraikitry ny sekoly ary ireo mpitokona an-kilany. Naharitra ora maromaro ny fifanazavana. Efa nampifanatonina ihany koa ny mpitantana ny sekoly sy ireo mpikomy ny tapak’andro maraina.
    Lire la suite ...
    • jeudi, 17 mai 2018 14:53
    • Sary Gasypatriote Fianarantsoa

    Fianarantsoa: Mitombo fahasalamana i Elisabeth kely

    Nivoaka ny hôpitaly ny andron'ny 19 aprily lasa teo i Elisabeth kely, zaza 15 volana voatifitry ny dahalo tao Isandra. Mamaly amin'ny fiantsoana azy i Elisabeth saingy tsy afaka miteny izy taorian'ny dona nahazo azy ary malemy ihany koa ny ilany havanana. Mankasitraka an'ireo rehetra malala tanana nandray anjara tamin'ny fitsaboana, sy ireo rehetra nitondra am-bavaka azy ny ray aman-dreniny ary manao antso avo amin'ny Fitsarana sy ny Fitondrana mba hanara-maso ny fampiharana ny lalàna momba ireo nahavanon-dratsy nanafika azy ireo. Notsaboina teny amin'ny Hopitaliben'i Tambohobe i Elisabeth, zazavavikely vao 15 volana, noho ny ratra sy dona nahazo azy tamin'ny tifitra nataon'ny dahalo azy ny tolak'andron'ny zoma 16 marsa lasa teo tany Isandra.
    Lire la suite ...
Page 7 sur 160