Sociale

    • mercredi, 03 avril 2019 22:00
    • Sary Gasypatriote

    AKAMA 67ha: Nanao asa soa ny INSCAE

    Nanolotra baolina baskety sy "maillot" ho an'ireo tanora manana fahasembanana ara-pandrenesana (moana sy marenina) tetsy amin'ny Akanin'ny Marenina AKAMA 67ha ny avy ao amin'ny sekoly ambony INSCAE, androany. (Jereo Sary Tohiny)
    Lire la suite ...
    • mercredi, 03 avril 2019 18:50
    • Sary: Ministeran’ny fahasalamana

    Antsirabe: «Fanabeazana ny Otista, andraikitry ny daholobe »

    Natomboka tamin’ny Diaben’ny firaisankina, niainga teo amin’ny Tsangambaton’ny fahaleovantena ny lanonana fankalazana amin’ny fomba ofisialy ny andro manerantany ho fampahafantarana ny « Otisma » notanterahina teto Antsirabe, Faritra Vakinankaratra omaly talata 2 aprily 2019. Notohizana tamin’ny fotoam-pivavahana, famelabelarana arahina adihevitra sy fijoroana vavolombelona mikasika ny Otisma izany, ary fampirantiana tao amin’ny Biraon’ny Faritra Vakinankaratra, izay niarahana tamin’ny Ministeran’ny fahasalam-bahoaka sy ny « Autisme Fédération Madagascar » ary ireo mpiaramiombon’antoka aminy. (Jereo Sary Tohiny)  
    Lire la suite ...
    • mardi, 02 avril 2019 22:36
    • Sary nomena

    CSB2 Tsihombe: Mianjady ny kere

    Maro ireo zaza tsy ampy sakafo eto amin'ny CSB2, Kaominy Tsihombe, Distrikan'ny Tsihombe. Misy zaza latsaka ny 5 taona, izay tena tratran'ny tsy fanjariantsakafo ato amin'ny Distrikan'ny Tsihombe, no milanja sy arahina maso eto ny fitombon'ireo zaza ireo.Misy fanampiana ara-tsakafo omena azy ireo. Manomboka amin'ny 8ora maraina izy ireo no milanja, ankizy miisa 200, ka in-2 isan-kerin'andro no manatanteraka izany, ny Talata sy Alarobia. 200 eo ny milanja Talata, 200 hafa kosa ny milanja Alarobia. Reraka anefa ireo ankizy ireo, satria efa any amin'ny 2ora tolakandro vao vita ny fandanjana, nefa ireo ankizy sy ireo Reny tsy misakafo mihitsy.
    Lire la suite ...
    • mardi, 02 avril 2019 13:31
    • Sary nomena

    Toamasina: Natomboka ny asa fanamboarana fanasan-damba

    Nametraka ny vato fehizoro, fanombohana ny famitana ny fanasan-damba etsy Tanambao 5 ny Kandida ho Solombavambahoaka Irmah Naharimamy. Izao ezaka izao hoy izy, dia tafiditra amin'ny ezaka fahadiovana eto Toamasina voalohany, hisian'ny fahasalamana isan-tokantrano. Amin'ny maha vehivavy azy, hoy hatrany izy dia sarobidy ny fahadiovan'ny ankanjo anaovana, ka izany indrindra no nanentana azy hanampy ireto vehivavy izay sahirana amin'ny velon-tena fanasan-damba, ary ho fahadiovan'ny manodidina izay hampiasa izao fotodrafitrasa izao. (Jereo Sary Tohiny)  
    Lire la suite ...
    • mardi, 02 avril 2019 13:19
    • Photos Fournies

    Toamasina: Lancement officiel de la mise en oeuvre des travaux HIMO/ACT

    Le projet HIMO/ACT a été lancé officiellement ce jour dans le District de Toamasina I, au niveau des 116 fokontany. Plusieurs personnalités ont participé à cette première journée, avec la participation active de la Candidate à l'élection législative du 27 mai 2019, l'ancienne députée, et récemment ministre de la population, madame Irmah Naharimamy. (Voir Suite Galerie Photo)  
    Lire la suite ...
    • mardi, 02 avril 2019 10:39
    • Sary: Faritra Boeny

    Mahajanga: Nahazo Eveka anglikana vaovao

    Ny Alahady 31 martsa 2019 no natao ny fanamasinana sy fametrahana Eveka vaovao tao amin’ny Katedraly Anglikana Santa Lioka Manga, Mahajanga, dia i Mgr Samuel Hall SPEERS. Izany dia nialohavan’ny tazondrotra masina (Procession) nataon’ireo fianakaviamben’ny mpino anglikana. Mgr Samuel Hall Speers no Eveka faharoa, hitondra indray mandritra ny dimy taona, ny diosezin’i Mahajanga, rehefa lasa nisotro ronono ny teo aloha. Teratany irlandais izy, manambady ary zanaka telo. Ny Arseveka anglikana aty amin’ny Ranomasimbe Indiana, Sa Grâce Mgr James Wong no nitarika ny fanamasinana, izay sambany nisy teto Mahajanga.
    Lire la suite ...
    • samedi, 30 mars 2019 14:28
    • Photos fournies

    Commémoration du 29 Mars 1947 à Moramanga: "Raviver la fierté nationale et le Patriotisme pour le développement du pays"

    Il est temps de sauver le pays, a souligné le Président de la République, et avancer enfin vers le chemin du développement durable. Il a réitéré que le principal objectif est de parvenir à toutes les formes d'indépendance que ce soit l'autosuffisance alimentaire, le développement économique et la renaissance culturelle, qui sont à la base du bien-être social pour tous les foyers malagasy. Autrefois le point de départ de la lutte pour la libération nationale, Moramanga sera désormais la locomotive et la référence pour tout Madagascar, en termes de projets de développement et d'Émergence économique à partir de cette année même, a lancé Andry Rajoelina.
    Lire la suite ...
    • samedi, 30 mars 2019 13:31
    • Tahirin-tsary Présidence

    "Vary Mora": Hanomboka anio 30 Martsa ny fivarotana eto Antananarivo

    Miisa 37 ny toerana hivarotana ny "Vary Mora", mitsinjara amin’ireo Boriborintany enina eto Antananarivo Renivohitra. 1000 Ariary ny kilao, ary kara-pokontany no nambaran’ny fitondrana fa ahazoana io vary io. Antananarivo-I: Andohatapenaka 1, Andohatapenaka 2, Ankasina, Antetezana Afovoany I, Antohomadinika FAAMI, 67 HA Atsimo, 67 HA Avaratra Andrefana, 67 HA Avaratra Atsinanana; Antananarivo-II: Ambohidraserika-Mahazoarivo, Ambohipo Cité- Ambohipo Tanàna-Ampahateza-Andohaniato, Andohanimandroseza-Ambohibato-Antanambao, Androndrakely-Saropody-Antonta, Tsiadana;
    Lire la suite ...
    • samedi, 30 mars 2019 10:40
    • Sary Njaka

    Tagnamaro: Hanomboka ofisialy anio manerana ny Nosy

    Andron'ny Olom-pirenena ihany koa no namaritan’ny ministeran’ny Serasera sy Kolontsaina azy ity, hetsika izay hiendrika rodobe in-dray mandeha isam-bolana natokana hanehoana ny fitiavan-tanindrazana amin’ny alàlan’ny hetsika azo tsapain-tànana. Ny olom-pirenena tsy ankanavaka na kely na lehibe any anatin’ny sehatr’asa sy ny seha-pianarana misy azy avy no entanina handray anjara amin’ity hetsika ity. Hetsika santatra no tatao anio Sabotsy 30 Marsa 2019. Ho an’ny Ministeran’ny Serasera sy ny Kolontsaina eto Antananarivo manokana dia ny Hopitaliben’i Mahitsy no hanaovana ny asa. Maro ireo fikambanana, orinasa, sekoly, andrim-panjakana, manerana an'i Madagasikara nampilaza fa hanao hetsika amin’ity anio ity.(Jereo Sary Tohiny)  
    Lire la suite ...
    • lundi, 25 mars 2019 14:52
    • Photos Fournies

    Nature: Grenouille tomate Endémique de Maroantsetra en voie de disparition

    C'est une petite grenouille de la famille Microhylidae. On le trouve notamment dans les régions chaudes comme Maroantsetra. Elle trouve son habitat dans les forêts, étangs, les marrais et garrigues en zone côtière. Cette variété de grenouille tomate n'a pas de poison. La déforestation est une des menaces directes de l'espèce, classée comme endémique. (Voir Suite Galerie Photo)
    Lire la suite ...
Page 6 sur 175