Sociale

    • vendredi, 25 janvier 2019 21:12
    • Sary Gasypatriote Antsirabe

    Antsirabe: Nifarimbona namboly hazo ny Zandary sy Miaramila

    Nanantontosa fambolen-kazo ny Zandary sy ny Miaramila ny marainan’ity zoma 25 janoary ity. Fambolen-kazo efa fanao isan-taona izy ity, ho fiarovana ny tontolo iainana no sady koa ilain’ny miaramila ihany koa ny hazo noho ny fampiasan’izy ireo ny kitay sy ny fanavaozana ny fanaka amin’ny alalan’ireo hazo ireo ihany. Ny Vondron-tobin’ny Zandary sy ny Sekolin’ny manamboninahitra lefitra ENSOA, ary ny teo anivon’ny Akademia Miaramila no nifandrimbona tamin’ny voly hazo, niampy ireo mpiasa sivily eo anivon’ny Akademia Miaramila.
    Lire la suite ...
    • jeudi, 24 janvier 2019 09:11
    • Photos fournies

    Mahajanga: Ntsay Christian sur terrain pour constater les dégâts

    Le Premier ministre, Ntsay Christian, représentant le Président de la République, s’est rendu à Mahajanga hier pour manifester le soutien aux riverains, et pour constater de visu l’ampleur des dégâts suite aux fortes pluies qui se sont abattues sur la ville. La contribution de l’Etat y a ainsi été offerte. La visite des lieux a permis de relever les mesures de résilience prises par les responsables locaux, et en suivait l’identification de ce qui était estimé encore nécessaire. Le Premier ministre a lancé un appel à l’endroit du peuple local, concernant le choix des lieux de construction afin d’éviter le surgissement des catastrophes. Il lui a ainsi demandé de se conformer aux instructions des responsables du domaine.
    Lire la suite ...
    • mardi, 22 janvier 2019 15:52

    Loza teny Tsimialonjafy, Ampamarinana : Nandefa teny fiaraha-miory ny filoha Andry Rajoelina

    « Maneho ny fiaraha-miory sy mirary fiononana feno amin’ireo fianakaviana mana-manjo », ny Filohan’ny Repoblika, Andry Rajoelina, manoloana ny fihotsahan’ny tany teny amin’ny Fokontany Tsimialonjafy, Ampamarinana, ny alin’ny sabotsy 19 janoary 2019 lasa teo, izay namoizina ain’olona sy nisiana naratra ihany koa. Mankahery azy ireo ihany koa, ny Filohan’ny Repoblika, noho izao voina mianjady izao, ary mirary fahasalamana haingana ho an’ireo mbola andalam-pitsaboana.
    Lire la suite ...
    • vendredi, 18 janvier 2019 17:44
    • Photos fournies

    Ivato: Nouveau camp pour le Premier Régiment des Forces d'Intervention (1er RFI)

    L’inauguration officielle du nouveau camp du Premier Régiment des Forces d'Intervention ou 1er RFI s’est déroulée ce jeudi 17 janvier. Pour rappel, le 1er RFI est composé de commandos parachutistes, et organise les formations des militaires qui combattent les Dahalo, et a pour but ultime d'asseoir une paix durable sur tout le territoire national. Le Ministre de la Défense Nationale, le Général de division Béni XavierRasolofonirina de souligner que ce nouveau camp du 1er RFI Ivato figure parmi les plus grandes infrastructures militaires jamais réalisées dans l'histoire des Forces Armées Malagasy.
    Lire la suite ...
    • vendredi, 18 janvier 2019 17:31
    • Sary nomena

    Moramanga: Manomboka ny fanamboarana ireo lalankely

    Lalankely mirefy 182 metatra no ho vitaina ao anatin'ny iray volana. Fokontany Tsarahonenana sy Moramanga Ambony no hisitraka ity fanamboarana ity. Famatsiam-bola avy amin'ny fitondram-panjakana no nahafahana nanao izao tetik'asa izao raha toa ka ny alarobia 16 janoary 2019 no nanomboka ny asa, izay tantanin’ny tetik'asa CCPREAS, sampana iray eo anivon'ny ministeran'ny vola sy ny fitatanam-bola. Nanao fangatahana ny solombavambahoakan’i Moramanga Randriamahefa Charles ary tamin'ny alalan'ny fikambanana FIZAFA no hanatanteraka ny asa. Maro ireo Fokontany efa miandrandra ny toy izao izay efa nahatonga fangatahana ihany koa. (Jereo Sary Tohiny)  
    Lire la suite ...
    • mercredi, 16 janvier 2019 10:11
    • Sary nomena

    Lapan'i Mahazoarivo: Fivoriana mikasika ny ady amin’ny valanaretina kitrotro

    Notanterahina teo anivon’ny Primatiora ny fivoriana mikasika ny valanaretina Kitrotro, izay notarihin’ny Praiminisitra, Lehiben’ny Governemanta, Ntsay Christian, niarahany tamin’ireo mpiara-miombon’antoka amin’ny firenena Malagasy sy ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny amin’ny minisitera voakasika. Ny tanjona moa dia ny hanatrarana ho 95% ny tahan’ny fanaovana vaksiny ny zaza ao anatin’ny efa-bolana ho avy, ka mitotaly zaza 7 tapitrisa izany, ary efa nisy ny paikady napetraky ny fitondram-panjakana hanatanterahana izany.Nanazava ny Praiminisitra fa efa maro ny distrika no voakasiky ny valanaretina kitrotro ary efa miditra amin’ny dingana voalohany amin’ny fanentanana fanaovana vaksiny isika izao, ka hitohy hatramin’ny volana aprily izany.
    Lire la suite ...
    • jeudi, 10 janvier 2019 21:20
    • Sary Gasypatriote Toamasina

    Toamasina: Nanatitra fanafody kitrotro tao amin'ny Hopitaly Be ny SPAT

    Baoritra misy fanafody maromaro araka ny lisitra tena ilaina amin’ny fitsaboana ireo zaza voan’ny kitrotro tsaboina eo anivon’ity sampana fitsaboana zaza ao amin’ny hopitaly be ity ireto naterin’ny SPAT tamin’ny alalan’ny Atoa Zandry Séraphin, talen’ny mpiasa sy ny maha-olona eo anivon’ny orinasa, sy ny lehiben’ny depertemanta misahana ny fitsaboana sy ny farmasia eo anivon’ny seranan-tsambo izao. Ampahany faharoa tamin’ny fanampian’ny SPAT izao naterina izao, izay hanaovana vonjy taitra ireo zaza marary vao miditra hopitaly, ka aorian’ny roa andro ny fitsaboana maimaim-poana ankoatra ireo tena tsy manan-koraisina mihitsy, dia anjaran’ireo ray aman-dreny indray no mividy izany eny amin’ny mpivaro-panafodin'ny hopitaly, na eny amin’ny farmasia ivelany. (Jereo Sary Tohiny)  
    Lire la suite ...
    • jeudi, 10 janvier 2019 14:15
    • Sary nomena

    EPP Ampefiloha Ambodirano: Hioty ny vokatra tamin’ny tetikasa fambolena an-drenivohitra

    Vokatra tsara avokoa no azo tamin’ny fambolena tamin'ny tetik'asa "Fambolena an-drenivohitra", na "agriculture urbaine", izay nokarakarain'ny Kaominina Antananarivo Renivohitra, isaky ny EPP manerana an' Antananarivo Renivohitra. Hita nisongadina tao anatin'izany ny EPP Ampefiloha Ambodirano, Boriboritany faha-4. Raha tsiahivina dia iray volana lasa izay no nanomboka namboly ny ekipa avy tao amin'io EPP io, ka tonga amin'ny fotoam-piotazana ny vokatra izy ireo ankehitriny.
    Lire la suite ...
    • jeudi, 27 décembre 2018 12:21
    • Sary Gasypatriote Sambava

    Sambava: Kolonely misotro ronono, Conseiller Municipal, nilanjan’olona sorabaventy ho mandrava tany

    Raikitra ny savorovoro tao Belle Souvenir Parcelle B, raha nahita fa indro nisy hanidy azy ireo tao anaty fefy, ka fantatra taty aoriana fa ny Conseiller Municipal no ao ambadik’izao, ka notoherin’ireto ny fanohizana ny asa. Omaly dia nidina teny an-toerana ny tompon’andraikitra amin’ny Kaominina, nijery ny olana misy teo amin’ny andaniny sy ny ankilany. Etsy ankilany dia nilaza ny Kolonely Samby Théodore fa tsy niditra an-keriny izy fa nividy tamin’olona, ary ananany taratasy mazava tamin’izay olona nividianana azy ka nangataka mba avela malalaka hiditra amin’ilay tany.
    Lire la suite ...
    • dimanche, 23 décembre 2018 14:53
    • Sary Gasypatriote Antsirabe

    Antsirabe faharoa: Nizara fitaovana

    Natolotra tamin'ny fomba ofisialy ny zoma 21 desambra teo ireo fitaovana novodiana tamin'ny alalan'ilay Fonds d'Appui au Développement tantanan'ny solombavambahoaka amin'ny alalan'ilay C.L.D izany; ho an'ny Distrikan'Antsirabe faharoa. Moto niisa 20 moa ho an'ireo Ben'ny Tanàna, ordinatera niisa 8 niampy Imprimante niisa 4 sy seza niisa 32 ary fanaka fandraisam-bahiny kosa ho an'ireo biraom-panjakana ao Antsirabe faharoa ao ihany. Tonga nanolotra izany ireo solombavambahoaka mianadahy voafidy tao Antsirabe faharoa io omaly io, niaraka tamin'ny lehiben'ny Distrika. Nanafatra ity farany fa hifandovan'ny Ben'ny Tanàna ny moto fa tsy fananan'ny Ben'ny Tanàna ankehitriny akory. (Jereo Sary Tohiny)  
    Lire la suite ...
Page 5 sur 168