Sociale

    • lundi, 12 août 2019 12:23
    • Sary nomena

    Fandraisana mpampianatra: Nivory ny « Enseignant Non Fonctionnaire » Antsiranana

    Nanao fivoriana tao amin’ny CEG PK3 Antsiranana, ny sabotsy 10 aogositra 2019 teo, ireo ENF (Enseignant Non Fonctionnaire) avy amin’ny fari-piadidiam-pampianarana Antsiranana I sy Antsiranana II, ho fanadiovana ny lisitra handraisana ho mpiasam-panjakana. Nitarika ny fivoriana ny mpandrindram-paritry ny SEMPAMA Nosy aty DIANA sy ireo Sekretera jeneralin’ny SEMPAMA Nosy ao Antsiranana I sy Antsiranana II ary ny biraom-paritry ny ENF DIANA. (Jereo Sary Tohiny)  
    Lire la suite ...
    • vendredi, 09 août 2019 12:51
    • Sary nindramina

    Fitaterana an-dalamby: Hahazo lohamasinina roa ny FCE

    Ho tonga alohan’ny farany taona 2019 ny lohamasinina anakiroa ho an’ny Lalamby FCE (Fianarantsoa Côte Est). Hiazo an'i Espagne ato ho ato ny teknisianina ao amin'ny FCE hijery ny lafiny ara-teknika mikasika izany. Misedra olana matetika ny fifamoivoizana an-dalamby amin’ny FCE noho ny fahanteran’ny lohamasinina, ny lalamby tsika rahateo efa nilaozan'ny toetrandro, satria kely loatra ny elanelan'ny vy, nefa ny lohamasinina vokarina ankehitriny efa be velarana. Mitana anjara toerana lehibe aty amin’ny faritra Vatovavy Fitovinany anefa ny fisian’io zotran-dalamby io.  
    Lire la suite ...
    • jeudi, 08 août 2019 22:21
    • Sary ZP

    Toby Jeneraly Ramarolahy - Betongolo: Fanaovam-beloma farany an'i CB Befandriana Avaratra

    Nisy ny seremonialy miaramila, nanaovana veloma farany ny nofo mangatsiakan’ny GPCE Solohery, Komandin’ny Tobim-paritry ny Zandarimaria Befandriana Avaratra notanterahina tao amin’ny Toby Jeneraly Ramarolahy etsy Betongolo Antananarivo, androany 08 aogositra 2019 maraina. Naratra mafy nandritra fanafihan-jiolahy nitranga tao Befandriana Avaratra ny alin’ny 29 jolay 2019 izy. Naratra niaraka taminy ny Ben'ny tanànan'i Belalòna. Nakarina tamin’ny fiaramanidina teto Antananarivo, notsaboina tao amin’ny hopitaly Miaramila Soavinandriana izy ireo, ny andro nisehoan’ny fanafihana, noho ny ratra mafy nahazo azy ireo. Nodimandry ny voalohan'ny volana teo ny Ben'ny tanànan'i Belalòna. Nodimandry ny 07 Aogositra 2019 tamin’ny 12 ora atoandro ny GPCE Solohery, na dia nanao ny alanenina rehetra aza ny mpitsabo.
    Lire la suite ...
    • jeudi, 08 août 2019 20:16
    • Sary nindramina

    Sarobaratra-Miarinarivo: Mirehitra ny jiro

    Notokanana androany alakamisy 8 aogositra 2019 ny tobim-pamokarana herinaratra miodina amin'ny rano, sy ireo andrinjiro aty an-drenivohitry ny Kaominina Sarobaratra, Faritra Itasy. Efa nanomboka tamin’ny 1 aogositra 2019 no nirehitra ny jiro, ary mponina eo amin’ny 3000 no misitraka izany. (Jereo Sary Tohiny)  
    Lire la suite ...
    • mercredi, 07 août 2019 13:17
    • Sary nindramina

    Papa Fransoa: Mpanao gazety 450 no hampiaina ny fitsidihany eto Madagasikara

    Ho avy eto Madagasikara ny Papa Fransoa ny 6 ka hatramin’ny 10 septambra 2019. Papa Ray Masina Katolika faharoa hitsidika an’i Madagasikara izy tato anatin’ny telopolo taona. Mpanao gazety 450 no hampiaina ny fitsidihan’i Papa Fransoa eto. 70 amin'izy ireo dia manaraka azy any anaty fiaramanidina, avy amin’ireo fampahalalam-baovao avy any Vatican, izay manaraka an'i Papa, tafiditra amin'ilay antsoina hoe "Presse Papale" toy ny RAI, Vatican News, KTO, sns... 125 hafa dia avy amin'ny sehatry ny fampahalalam-baovao iraisam-pirenena. Ny ambiny dia mpanao gazety Malagasy avokoa.    
    Lire la suite ...
    • mercredi, 07 août 2019 13:11
    • Sary nindramina

    Mahajanga: Nahazo fampitaovana ireo mpanjono madinika

    Notoloran’ny Minisiteran’ny Fambolena, ny fiompiana ary ny jono lakana 27 manara-penitra sy kojakoja mifanaraka aminy toy ny salotra famonjena aina miisa 54, ary harato maro ny fikambanana mpanjono madinika miisa enina misehatra amin’ny fanaratoana amin’iny morotsirak’i Mahajanga iny. Teny Amborovy no natao ny fanolorana ny 05 aogositra 2019. Tafiditra indrindra amin’ny vina fitrandrahana sy fitantanana maharitra ny harena anaty rano izao hetsika izao. (Jereo Sary Tohiny)  
    Lire la suite ...
    • lundi, 05 août 2019 20:16
    • Sary nindramina

    Vola taratasy simba: Afaka atakalo eny amin’ny Banky Foiben’i Madagasikara

    Mampahatsiahy ny Banky Foiben’i Madagasikara fa afaka atakalo eny amin’ny « guichet » natokana ho amin’izany, eny amin’ny Ivotoeran’i BFM eto Antananarivo sy eny anivon’ireo masoivohony miisa 15 manerana ny Nosy, ireo vola taratasy simba. « Maimaimpoana, tsy misy tambiny ny fanakalozana, ary mitovy ny sandan’ny vola atakalo sy averina », hoy ny fampitam-baovao. Manentana ny tsirairay ny Banky Foibe hanaja sy hikojakoja ny vola taratasy, ho fitsinjovana ny mpampiasa vola izay mikirakira azy ireny isan’andro, na amin’ny fitahirizana, na amin’ny fifanakalozana isan-karazany. « Fadio ny mandena, ny mandoto, ny manoratra, na mamatotra amin’ny fingotra sy manapaingotra ary mamoriporitra ny vola », hoy ny fanentanana ataon’ny BFM. Lafo ho an’ny firenena ny fanamboarana, ny fanafarana sy ny fanapariahana ireo vola taratasy, izay atao any ivelany hatreto.  
    Lire la suite ...
    • lundi, 05 août 2019 19:58
    • Sary Gasypatriote Ambatondrazaka

    Ambatondrazaka: Nahazo fampitaovana ny lisea Fleur des Enfants Ambohidava

    Nanolotra boky fianarana maromaro ho an'ny kilasy famaranana sy T11 ao amin’ny lisea Fleur des Enfants ao Ambohidava ny fikambanana mpanao asa soa Rotary Club Lac Alaotra ny sabotsy 3 aogositra 2019. Hetsika voalohany notanterahin’ny Rotary Club Lac Alaotra amin’izao taom-pitantanana 2019-2020 io, ary tena manampy betsaka ny mpianatra amin’ny fitadiavana boky hanovozam-pahalalana. Santatra am-bavarano ihany iny, hoy Rakotomavo Herizo Beberto, filohan’ny Rotary Club Lac Alaotra fa mbola hitohy ny fanaovana asa soa. (Jereo Sary Tohiny)  
    Lire la suite ...
    • lundi, 05 août 2019 19:33

    Bianco Antsiranana: Nahazo fitarainana 295 tao anatin’ny enim-bolana

    Nandritra iny enim-bolana nivalona iny dia 230, tamin'ireo fitarainana miisa 295 voarain’ny BIANCO Antsiranana, dia azo avy tao amin'ny Faritra DIANA avokoa, raha 65 kosa ny avy ao amin'ny Faritra SAVA. Efa natolotra ny Fitsarana ny 26 tamin'ireo fitarainana 74 azo raisina tamin'ny 295 voaray. Nivoitra io ny alakamisy 1 aogositra 2019 teo raha nanao tatitry ny zava-bitany ny Bianco Antsiranana araka ny nambaran’ny Talem-paritra, Razakamantsoa Gaby Nestor, notanterahina teto Sambava. Mikasika ny fanambaram-pananana indray, dia miisa 880 no tokony hanao izany ato amin'ny Faritany Antsiranana ka efa nahavita ny azy ny 560 tamin’ireo.  
    Lire la suite ...
    • vendredi, 02 août 2019 10:16
    • Sary nomena

    Tsy manan-kialofana amoron-dalana: Nitondra vonjy aina ho azy ireo ny minisitry ny mponina

    Ho fanohizana ny vonjy aina maika ho an'ireo tsy manan-kialofana, dia tonga nanome sakafo sy bodofotsy ho azy ireo ny minisitry ny mponina Iramah Naharimamy. Misy ireo tetikasa hitondrana vahaolana maharitra, izay efa karakaraina, nefa mitaky fotoana kely izany, ka tsy maintsy atao aloha ny mijery vonjy aina ho an'ireo tena mila izany. (Jereo Sary Tohiny)  
    Lire la suite ...
Page 3 sur 185