Sociale

    • lundi, 05 août 2019 20:16
    • Sary nindramina

    Vola taratasy simba: Afaka atakalo eny amin’ny Banky Foiben’i Madagasikara

    Mampahatsiahy ny Banky Foiben’i Madagasikara fa afaka atakalo eny amin’ny « guichet » natokana ho amin’izany, eny amin’ny Ivotoeran’i BFM eto Antananarivo sy eny anivon’ireo masoivohony miisa 15 manerana ny Nosy, ireo vola taratasy simba. « Maimaimpoana, tsy misy tambiny ny fanakalozana, ary mitovy ny sandan’ny vola atakalo sy averina », hoy ny fampitam-baovao. Manentana ny tsirairay ny Banky Foibe hanaja sy hikojakoja ny vola taratasy, ho fitsinjovana ny mpampiasa vola izay mikirakira azy ireny isan’andro, na amin’ny fitahirizana, na amin’ny fifanakalozana isan-karazany. « Fadio ny mandena, ny mandoto, ny manoratra, na mamatotra amin’ny fingotra sy manapaingotra ary mamoriporitra ny vola », hoy ny fanentanana ataon’ny BFM. Lafo ho an’ny firenena ny fanamboarana, ny fanafarana sy ny fanapariahana ireo vola taratasy, izay atao any ivelany hatreto.  
    Lire la suite ...
    • lundi, 05 août 2019 19:58
    • Sary Gasypatriote Ambatondrazaka

    Ambatondrazaka: Nahazo fampitaovana ny lisea Fleur des Enfants Ambohidava

    Nanolotra boky fianarana maromaro ho an'ny kilasy famaranana sy T11 ao amin’ny lisea Fleur des Enfants ao Ambohidava ny fikambanana mpanao asa soa Rotary Club Lac Alaotra ny sabotsy 3 aogositra 2019. Hetsika voalohany notanterahin’ny Rotary Club Lac Alaotra amin’izao taom-pitantanana 2019-2020 io, ary tena manampy betsaka ny mpianatra amin’ny fitadiavana boky hanovozam-pahalalana. Santatra am-bavarano ihany iny, hoy Rakotomavo Herizo Beberto, filohan’ny Rotary Club Lac Alaotra fa mbola hitohy ny fanaovana asa soa. (Jereo Sary Tohiny)  
    Lire la suite ...
    • lundi, 05 août 2019 19:33

    Bianco Antsiranana: Nahazo fitarainana 295 tao anatin’ny enim-bolana

    Nandritra iny enim-bolana nivalona iny dia 230, tamin'ireo fitarainana miisa 295 voarain’ny BIANCO Antsiranana, dia azo avy tao amin'ny Faritra DIANA avokoa, raha 65 kosa ny avy ao amin'ny Faritra SAVA. Efa natolotra ny Fitsarana ny 26 tamin'ireo fitarainana 74 azo raisina tamin'ny 295 voaray. Nivoitra io ny alakamisy 1 aogositra 2019 teo raha nanao tatitry ny zava-bitany ny Bianco Antsiranana araka ny nambaran’ny Talem-paritra, Razakamantsoa Gaby Nestor, notanterahina teto Sambava. Mikasika ny fanambaram-pananana indray, dia miisa 880 no tokony hanao izany ato amin'ny Faritany Antsiranana ka efa nahavita ny azy ny 560 tamin’ireo.  
    Lire la suite ...
    • vendredi, 02 août 2019 10:16
    • Sary nomena

    Tsy manan-kialofana amoron-dalana: Nitondra vonjy aina ho azy ireo ny minisitry ny mponina

    Ho fanohizana ny vonjy aina maika ho an'ireo tsy manan-kialofana, dia tonga nanome sakafo sy bodofotsy ho azy ireo ny minisitry ny mponina Iramah Naharimamy. Misy ireo tetikasa hitondrana vahaolana maharitra, izay efa karakaraina, nefa mitaky fotoana kely izany, ka tsy maintsy atao aloha ny mijery vonjy aina ho an'ireo tena mila izany. (Jereo Sary Tohiny)  
    Lire la suite ...
    • jeudi, 01 août 2019 22:05
    • Sary nindramina

    Fampisakafoanana an-tsekoly: 786 ireo EPP misitraka ity fandaharan'asa ity

    Fandaharan'asa Erantany momba ny Sakafo na PAM no manohana ny ny fandaharan'asa fampisakafoanana an-tsekoly. Mahatratra 786 ireo EPP amin’ny faritra telo any atsimon’ny Nosy no misitraka ity fandaharan'asa ity, izay ahitana mpianatra miisa 1 938 365, araka ny tombana natao ny taona 2018. Efa maherin’ny 30 taona ny PAM no nanohana ara-tsakafo an’i Madagasikara, ary mitondra ny anjara birikiny amin’ny fanatsarana ny tahan’ny fampidirana an-tsekoly ny mpianatra eto Madagasikara amin’ny alalan’ny fametrahana ny tetikasa fampisakafoanana an-tsekoly. (Jereo Sary Tohiny)  
    Lire la suite ...
    • mardi, 30 juillet 2019 14:25

    Fitaterana anabakabaka: Maniry ny hiverenan’ny sidina Air Madagascar Toliara – Tolagnaro – Toliara ny mpandeha

    Efa iray volana eo izao no foana ny sidina Air Madagascar Toliara – Tolagnaro – Toliara, fa tsy mahaleo ny sarany ny vidiny. Maniry ny hiverenan’io sidina io indray ny mpandeha eto Tolagnaro. Misy ny sidina ataon’ny kaompania Air Austral mampifandray an’i La Réunion-Tolagnaro- Toliara/Toliara-Tolagnaro-La Réunion in-telo isan-kerinandro ka fanirian’ny mpandeha eto Tolagnaro ny mba hampiarahana amin’io sidina io, mandra-pisy lamina vaovao amin’ny sidina ataon’ny Air Madagascar.  
    Lire la suite ...
    • mardi, 30 juillet 2019 08:43
    • Sary Njaka

    Anosy: Hetsika Education Tour

    Ny ministeran’ny fampianarana ambaratonga fototra sy ny fampianarana teknika matianina ary ny projet Aquem dia nikarakara fampirantiana antsoina hoe EDUCATION TOUR izay natao ny 26 sy 27 jolay teo amin’ny tokotanin’ny ministeran’ny fampianarana Anosy. (Jereo sary Tohiny)  
    Lire la suite ...
    • mardi, 30 juillet 2019 08:07
    • Sary nindramina

    Antenimierandoholona: Nanome fanampiana ho an’ireo marary tsy misy mpiahy ao amin’ny hopitaly Befelatanana

    Nanolotra fitafiana, vary, savony, menaka, siramamy, sira ary paty ho an’ireo marary tsy misy mpiahy ao amin’ny hopitaly Befelatanana, izay sahanin’ny Aumônerie Protestante Befelatanana, ny fianakaviamben’ny Antenimierandoholona, izay notarihan’ny Filohany, Rivo Rakotovao mivady ny sabotsy 27 jolay 2019, sady namaranana ny herinandro fankalazana ny faha 60 taona ny Antenimierandoholona. Nanolotra vola iray tapitrisa Ariary ho an’ny Aumônerie Protestante Befelatanana ihany koa ny Filohan’ny Antenimierandoholona mivady. (Jereo Sary Tohiny)
    Lire la suite ...
    • mardi, 30 juillet 2019 07:39
    • Sary Gasypatriote Sambava

    Sambava: Fiara mamoaka setroka mijolofotra manempotra jerem-potsiny

    Fiara tsy mataho-dalana iray no nanempotra ny mpandeha tongotra rehetra tamin'ny lalana izay nalehany ny setroka mijolofotra avoakany. Ny nahagaga dia nojerem-potsiny ary navela nivezivezy ilay fiara na dia hita izao aza fa manimba ny tontolo iainana. (Jereo sary Tohiny)  
    Lire la suite ...
    • lundi, 29 juillet 2019 20:01
    • Sary Gasypatriote Toamasina

    Toamasina: Nanao asa soa ny Minisitra Naharimamy Lucien Irmah

    Tonga teto Toamasina ny minisitry ny mponina Naharimamy Lucien Irmah, ny sabotsy 27 jolay, nanohana ny didipoatra faobe nokarakarain'ny fikambanana FITAHOFI, izay natao tao amin'ny EPP Todivelo Raphael Ankirihiry. Zazalahy kely an-jatony teo no nisitraka ity famorana maimaimpoana ity.
    Lire la suite ...
Page 11 sur 192