Sociale

    • lundi, 26 novembre 2018 18:51
    • Photos FB

    Nairobi Kenya: Première Conférence internationale sur l'économie Bleue durable

    11 Chefs d’État ont participé à la Conférence internationale sur l'économie Bleue durable qui a eu lieu au Kenyatta Internationale Convention Center - Nairobi Kenya. - Accélérer la mise en œuvre du Programme pour 2030 et des ODD des Nations Unies; - Réaliser le potentiel de nos eaux pour créer des emplois et lutter contre la pauvreté; - Relever les défis liés à la protection de nos océans, mers, lacs et rivières, tels sont le motif de cette conférence. Le Ministre de l’économie, Marcel Napetoke Arsonaivo et le Ministre des Ressources Halieutiques et de la Pêche, Augustin Andriamananoro ont conduit les 8 membres de la délégation, dont 04 techniciens et 02 membres de la Société civile, grâce à la prise en charge par le PNUD.
    Lire la suite ...
    • jeudi, 22 novembre 2018 15:03

    Corps de la Paix: Mpilatsaka an-tsitrapo vaovao miisa 40 nanao fihanianana

    Mpilatsaka an-tsitrapo miisa efapolo mianadahy avy ao amin’ny Corps de la Paix no nampanaovin’ny Mpiandraiki-draharahan’ny Masoivoho amerikana, Atoa Stuart R. Wilson, fianianana tao amin’ny Restaurant Infinithé Ivandry ny Alarobia 21 Novambra 2018. Hiasa eo amin’ny sehatry ny fampianarana sy ny fampiroboroboana ny teny anglisy ireo mpilatsaka antsitrapo ireo rehefa avy nahavita fiofanana nandritra ny iraika ambinifolo herinandro. Taorinan’ny fiofanana momba ny teny malagasy, fianarana ny fomba amam-panao sy ny kolontsaina Malagasy ary ireo teknikam-pampianarana samihafa dia handeha hamita iraka any amin’ireo tanàna manerana ny Madagasikara izay voatendry hipetrahany sy hiasany mandritra ny roa taona ireo mpilatsaka antsitrapo ireo.
    Lire la suite ...
    • samedi, 17 novembre 2018 10:10
    • Sary nomena

    Soamanandrariny: Centenaire de l’introduction du Message Adventiste à Madagascar

    Le Centenaire de l’Introduction du Message Adventiste à Madagascar a été célébré ce 16 novembre 2018, à Soamanandrariny, Antananarivo. « Mais la parole de Dieu n’est pas liée », c’est le thème de la célébration, tiré des écrits de Timothée, et qui fut, notamment, marquée par l’inauguration d’un Orphelinat, d’un Guest House, et de la stèle du centenaire, suivie de la visite d’une exposition retraçant l’histoire de l’Eglise adventiste à Madagascar. « C’est un grand jour, de pouvoir célébrer le centenaire de l’introduction du Message Adventiste à Madagascar. La vie n’est qu’un passage sur terre, et le thème choisi transmet beaucoup de messages, par rapport à l’évolution de la société et du monde en général.
    Lire la suite ...
    • vendredi, 16 novembre 2018 09:56
    • Sary Gasypatriote Sambava

    SAVA: Faritra mena amin’ny fandalovan'ny rivodoza isan-taona

    Voafidy manokana hanaovana atrik’asa hisorohana ny tsy fahampian'ny rano fisotro madio aorian’ny fandalovan’izany rivodoza na  mety ho ranobe izany ny eto Sambava, ka mba ho fotodrafitr’asa mahatanty izany no apetraka eto, izay hanofanana ireo orinasa ato amin'ny Faritra SAVA ary ireo ‘’bureau d’étude’’ izay manao fanadihadiana mialohan’ny tetik’asa. Nilaza ny Lehiben’ny Faritra Velomaro Faustin mba tsy ho hita aty SAVA intsony ny firaisana tsikombakomba amin’ireny mpanome tetik’asa mitaky ampahafolony amin'ireo izay hanao ny asa ireny, satria raha tsy foana io dia ho ratsy fototra ny asa, ratsy ny kalitao ka aoka izay ny kolikoly. Nanomboka omaly ny atrik’asa ary haharitra hateloana. Ireo avy ao amin’ny CPGU (Cellule de Prévention et Gestion des Urgences ) ao amin’ny Primatiora no mitarika izany amin’ny alalan'ny Sekretera mpanatanteraka, Général de Brigade Aérienne Razakanaivo Maminirina. (Jereo Sary Tohiny)  
    Lire la suite ...
    • mercredi, 14 novembre 2018 12:33
    • Sary Gasypatriote Antsirabe

    Tsifanjariantsakafo mitarazoka: Mihoatra ny 60% ny taha amin'ny Faritra efatra

    Tontosaina mandritra ny herinadron’ny 12 novambra ka hatramin’ny 16 novambra ho avy izao ny Atrikasam-paritra ho an’ny ady amin’ny tsifanjariantsakafo mitarazoka eto Madagasikara. Ho an’I vakinankaratra manokana dia ny 12 sy ny 13 novambra no nanaovana izany. Raha tsahivina dia ny 09 mey 2018 no nanombohana ity tetikasa FAFY ity, na ny “Fanjariantsakafo sy Fahasalamana Ifotony”, tao Andriambilany-Ambatolampy Vakinankaratra, ary izao hatomboka izao ny asa.
    Lire la suite ...
    • samedi, 10 novembre 2018 11:28
    • Sary Gaypatriote Antsirabe

    Fitaterana: Mikaonan-doha ny mpitatitra matihanina amin'ny zotra nasionaly eto Antsirabe

    Tao amin’ny Centre Diantana Antsirabe no nanaterahan'izy ireo izany ny zoma 9 novambra 2018. Fikaonan-doha no natao, ka lohahevitra roa no nodinihina, dia ny lafiny tsy fandriampahalemana eny amin’ny lalam-pirenena sy ny fampakarana ny sarandalana miainga avy eo Antsirabe makany amin’ny faritra hafa. Raha ny fanazavana nomen’Atoa Razafimisata Tanteliharivola, filohan’ny Fikambanan’ny mpitatitra dia efa misy ny fiaraha-miasa amin’izy ireo sy ny mpitandro filaminana saingy ny fanantsarana izany no tadiavina.
    Lire la suite ...
    • lundi, 05 novembre 2018 22:15

    Jirama: Fahatapahan-drano teny Mahalavolona

    Noraisin’ny JIRAMA ireo solotenan’ny mponina. Nitondra ny fitarainan’izy ireo teny amin’ny foiben’ny JIRAMA Ambohijatovo Ambony ireo solotenan’ny mponina eny Mahalavolona Andoharanofotsy, androany. Izany dia noho ny fahatapatapahan’ny rano teny an-toerana nanomboka ny alin’ny 31 oktobra lasa teo, ary tapaka tanteraka mihitsy izany tamin’ny ampahan’ity toerana ity tao anatin’ny hateloana. Nohazavaina tamin'izy ireo ny olana misy amin'ny famatsiana rano eto Antananarivo, anisan'izany ny tsy fahampiana, indrindra ao anatin'ny "étiage" isika izao sy ny fahanteran'ny fitaovana mitondra ny rano. Etsy an-daniny nisy fahavakisana ny fantsona lehibe mpamatsy rano roa miainga amin’ny tombim-pamokarana ao Ankadivoribe, ka ny zoma 2 novambra alina vao hita, ny iray tao anaty alan’Iavoloha ary ny iray kosa nanodidina ny reniranon’i Sisaony.
    Lire la suite ...
    • jeudi, 25 octobre 2018 23:17

    Andapa: Potiky ny Fitsaram-bahoaka ny biraon’ny Zandary

    Tsy mora ny tranga nisy teto Andapa omaly, toy izao ny zavatra navelan’iny sakoroko iny. Manomboka voafehy ny fandriam-pahalemana hatramin’ny nahatongavan’ny Kaomandin'ny Kaompanian'ny Zandary, Kapiteny Maguy Raharimandina omaly hariva. Vao tonga ireo ekipa avy any Sambava dia nandeha nandrava ireo andian’olona nandoro kodiarana teny amin’ny lalam-pirenena miazo ny biraon'ny Zandary. Vao rava izay dia natao faritra mena avy hatrany mba hisorohana izay tranga mety hiseho.
    Lire la suite ...
    • mercredi, 24 octobre 2018 09:32
    • Sary Gasypatriote Toamasina

    Oniversiten'i Toamasina: Misavorovoro

    Nampiato ny fampianarana ao Barikadimy ny filohan'ny oniversiten'i Toamasina, Velo Jérôme, noho ny grevy misy ao an-toerana efa ho roa heinandro izao. Ny antony dia ny fampiharana ny rafitra LMD (Licence-Master-Doctorat) tamin'ny fomba fanaovana ny fanadinana farany teo, ka niteraka tsy fahafahana maro teo amin'ny mpianatra. Mitaky ny "compensation de note" ireo mpianatra, mitaky ny fametraham-pialan'ny filohan'ny oniversite, ary mitaky ny fanalana ny sojabe ny DEGMIA ihany koa.
    Lire la suite ...
    • lundi, 22 octobre 2018 21:37

    SSME andiany faha-25: Hamafisina ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo

    Taty Mahajanga no nanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny Herinandron’ny fahasalaman’ny Reny sy ny zaza (SSME) andiany faha-25, izay nanomboka androany alatsinainy 22 oktobra hatramin’ny 26 oktobra izao. Omena lanja manokana mandritra ity andiany ity ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo iarahana amin’ny ONN. Tolotra maro samihafa maimaimpoana no azon’ny Reny sy zaza latsaky ny dimy taona sitrahana mandritra ny hetsika Herinandron’ny fahasalaman’ny Reny sy ny zaza, toy ny fanaovam-bakisiny, ny fizarana vitamina A, ny fisafoana sy fitiliana VIH ho an’ ny vehivavy bevohoka.
    Lire la suite ...
Page 2 sur 164