Sociale

    • jeudi, 02 avril 2020 09:03
    • Photos Fournies

    Packagings des « Vatsy Tsinjo »: Les bénévoles recevront une indemnité journalière en récompense de leurs actions

    Près de 500 bénévoles composent la task-force chargée des packagings des « Vatsy Tsinjo » ou kits alimentaires destinés aux familles des Fokontany les plus vulnérables d’Antananarivo et Toamasina. La distribution de ces aides fait partie des mesures d’accompagnement nécessaires à l’Etat d’urgence sanitaire dans lequel se trouve le pays actuellement. Les bénéficiaires sont surtout ceux qui subissent directement les conséquences du confinement, à savoir les chauffeurs de taxi et des transports en commun, les lavandières, les crieurs de journaux, les tireurs de pousse-pousse, les chauffeurs de tuc-tuc, etc. Les kits sont composés, entre-autre, de produits de premières nécessités, de légumineuses, de savons et de koba aina.
    Lire la suite ...
    • mercredi, 01 avril 2020 10:48
    • Photos fournies

    Covid-19: Lancement dépistage massif

    731 tests de diagnostic rapide ont été effectués ce 31 mars 2020, sur les passagers des vols régionaux et internationaux arrivés à Madagascar et ayant effectué leur période de quarantaine de 15 jours. Ce qui a permis la confirmation de 4 cas de Covid-19 au CCI Ivato et 1 cas à Ankorondrano. Le Président de la République et son épouse étaient au CCI Ivato pour superviser le bon déroulement des tests et pour délivrer aux passagers ayant été testés négatifs au coronavirus leur certificat de fin de quarantaine. Outre les tests de diagnostic rapide effectué au CCI Ivato et Ankorondrano, 588 personnes ont également été testées sur les lieux de leur mise en quarantaine. Parmi eux, deux personnes ont également été testées positifs. Au vu des résultats de leurs tests, ils ont directement été récupérés par une ambulance pour une prise en charge et leur état de santé sera suivi de près au sein des centres hospitaliers dédiés au traitement du coronavirus.
    Lire la suite ...
    • mardi, 31 mars 2020 21:47
    • Sary nindramina

    « Covid-19 »: Nisy tranga vaovao 7 tao anatin’ireo 1319 natao fitiliana faobe

    Tontosa ny andiany voalohany amin’ny fitiliana faobe « Covid-19 » ireo mpandeha tamin’ny sidina anabakabaka ny 11 sy 12 Martsa 2020 lasa teo rehefa tapitra ny 15 andro nanokana-monina azy ireo taorian’ny nahatongavan’izy ireo teto Madagasikara. Niisa 731 izy ireo androany, ka ny 516 teny amin’ny CCI Ivato ary ny 215 teo antokontanin’ny Jumbo Score Ankorondrano, no natao fitiliana sy nizahana ny toe-pahalasamany, ary hamaranana ny fitokana-monina izay nandalovan’izy ireo, raha toa ka tsy misy ahiahiana ny amin’ny fahasalamany. Nanara-maso ny fizotran’izany ny filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina. Nozaraina « Certificat de fin de quarantaine » avy amin’ny Ministeran’ny fahasalamam-bahoaka, ny 726 tamin’izy ireo, manamarina fa tsy mitondra ny tsimokaretina « Coronavirus », ary afaka namonjy ny toeram-ponenany avy. Ny 512 tamin’ireo teny amin’ny CCI Ivato, ny 214 teny amin’ny Jumbo Score Ankorondrano.
    Lire la suite ...
    • mardi, 31 mars 2020 18:18
    • Sary Gasypatriote Sambava

    Faritra SAVA: Noraofina teny an-tsena ireo hazandranomasina izay efa voarara

    Taorian'ny loza niseho teto Sambava izay namoizana ain'olona roa be izao noho ny fihinanana hazandranomasina izay voatondro ho misy poizina ao anatin'ny vanim-potoana mafana izao, dia niditra an-tsehatra ny avy amin'ny sampan-draharahara ny jono nifaoka ireo ''sardine'' izay tafiditra ho tsy azo hoanina hatramin'ny faran'ny volana Aprily 2020 io. Ny sabotsy teo, andro voalohany nanaovana ny hetsika dia nahazoana 105kg. Notohizana izany ny Alatsinainy 30 marsa 2020 ka nahasaronana 70 kg. Nopotehina ary nalevina tao amin'ny tokontany malalaky ny sampan-draharaha ny fambolena sy ny jono teto Analamandrorofo ireo "sardine" noraofina ireo. Hitohizana any Vohémar sy Antalaha ny hetsika. (Jereo Sary Tohiny)
    Lire la suite ...
    • mardi, 31 mars 2020 13:18
    • Sary: MEDD

    Drafitrasa Sosialy: Natomboka tao Saropody ny fizarana ny Vatsy TSINJO isam-baravarana

    Nitarina ho an'ireo fianakaviana sahirana sy marefo ara-toekarena eny amin'ireo Fokontany manana tahan'ny fahantrana tena avo ny fizarana ireo Vatsy TSINJO ho an'ireo sokajy ireo. Nampitomboina ho lasa 240 000 ny isan'ireo izay hisitraka izany. Natomboka ny Alatsinainy 30 martsa 2020 tao Saropody Kaominina Tanjombato, Antananarivo Atsimondrano ny fizarana ny Vatsy TSINJO isam-baravarana mba tsy hisian'ny fitangoronambe intsony Hitohy mandritra ny andro maromaro izao asa izao amin'ny Distrika maro eto Analamanga sy Toamasina I sy II. Nifarimbona tamin’ny fizarana ny « Task Force » Drafitrasa Sosialy, nampian’ireo mpirotsaka an-tsitrapo sy ireo mpitandro filaminana tamin'ny fiambenana. (Jereo Sary Tohiny)  
    Lire la suite ...
    • mardi, 31 mars 2020 11:07
    • Sary: Ministeran’ny Mponina

    Fiahiana sosialy: Fianakaviana tsy manan-kialofana miisa 334 nafindra eny amin'ny EPP Nanisana

    Nafindra eny amin'ny EPP Nanisana ny harivan'ny alatsinainy 30 Marsa 2020 ireo fianakaviana tsy manan-kialofana miisa 334 avy amin’ny toerana samihafa eto an-drenivohitra, hetsika tafiditra amin'ny fiahiana Sosialy sahanin'ny Ministeran'ny Mponina sy ny Kaominina Antananarivo Renivohitra. Vonjimaika ihany ny toerana nametrahana azy ireo. (Jereo Sary Tohiny)  
    Lire la suite ...
    • mardi, 31 mars 2020 08:45
    • Sary: Mesupres

    Minisitra Assoumacou Elia Béatrice: Manentana ireo mpianatry ny oniversite tsy hivoaka ny trano

    Manentana ireo mpianatry ny oniversite manerana an'i Madagasikara « tsy hivoaka ny trano intsony » i Pr Assoumacou Elia Béatrice, Minisitry ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, « mba tsy hiteraka korontana ». « Efa manao izay fara-heriny hanampiana sy hanatonana antsika ny fitondram-panjakana sy ny ministeran'ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiantifika, ary mbola hitohy hatrany izany hetsika izany », hoy izy. Vary 15 taonina sy menaka 150 boritra no fantatra fa hozaraina maimaimpoana amin'ireo mpianatra mipetraka eny amin'ireo « Cité » manerana ny Nosy hiatrehana izao ady sarotra eto amin'ny firenena izao. (Jereo Sary Tohiny)  
    Lire la suite ...
    • dimanche, 29 mars 2020 18:11

    Toamasina: 1 220 ny isan'ny mpivarotena avy amin’ny fikambanana efatra

    Isan’ireo sokajy marefo eny anivon’ny fiarahamonina ireo fianakaviana sahirana sy ireo manao velontena nefa voatery miato noho ny fepetra fahamehana ara-pahasalamana. Ao Toamasina dia manodidina ny 420 eo ireo 4'Mi, 1 220 ny isan'ny mpivarotena mivondrona anatina fikambanana efatra, 1 911 ny mpitondra tuc-tuc, ary manodidina ny 9 100 ireo mpitondra posy ara-dalana raha 25 000 eo ireo tsy mpandoa hetra amin’ny Kaominina Toamasina.  
    Lire la suite ...
    • dimanche, 29 mars 2020 17:59
    • Sary: Ministeran’ny fahasalamam-bahoaka

    Ady amin’ny Coronavirus: Namaly ny antson’ny fanjakana ireo "Interne en médecine"

    Manome tanana ireo "interne en médecine" amin’ny fiatrehana sy fisorohana ny fiparitahan’ny valan’aretina coronavirus eto Madagasikara. Niditra an-tsehatra avy hatrany tamin’ny fanaraha-maso sy fitiliana ireo mpandeha tamin’ireo sidina avy any ivelany, izay natokamonina any amin’ireo hotely sy hopitaly ary any an-tranony, izy ireo taorian’ny toromarika sy ny fampitaovana azy ireo. Isany fitaovana ampiasain’izy ireo amin’ny fitiliana sy fizaham-pahasalamana ireo fanaovana « test rapide » vao tonga, ary efa nojeren’ireo siantifika Malagasy ka azo ampiasaina sy ampiharina tsara. (Jereo Sary Tohiny)  
    Lire la suite ...
    • samedi, 28 mars 2020 22:16
    • Photos Fournies

    Analyses COVID-19: L’Institut Pasteur confirme les chiffres officiels

    Le Président Andry Rajoelina a visité l’Institut Pasteur de Madagascar (IPM) ce 28 mars 2020. Le Chef de l’État a tenu à constater de visu les processus de réalisation des tests effectués au laboratoire de l'IPM pour le dépistage du coronavirus. Durant cette descente, le Directeur général de l’Institut Pasteur de Madagascar, Professeur André SPIEGEL a réaffirmé la fiabilité des résultats des analyses réalisés au sein de leur laboratoire. Le processus et les résultats sont conformes aux protocoles internationaux en vigueur. L’IPM a également certifié que le nombre de cas déclarés au niveau du Centre de Commandement Opérationnel COVID-19, symptomatiques et asymptomatiques, correspondent exactement aux donnés émanant de l'IPM.
    Lire la suite ...
Page 1 sur 211