Sambava: Tontosa ny fametrahana samboady ny Ben'ny tanàna vaovao

  • samedi, 18 janvier 2020 16:55
  • Zakaria
  • Sary Gasypatriote Sambava

Natao omaly maraina ny lanonana fametrahana amin’ny toerany ny Ben'ny tanàna vaovao ny Kaominina ambonivohitra Sambava, Ramangalaza Judicael.

''Ilay tetikasa folo izay nambaranay tamin'ny fampielezan-kevitra no ho entinay hampandroso an’i Sambava. Hanomboka amin'ny ady amin'ny kolikoly izany, ka hanadio ny ato anatiny hampangaraharaha ny fitantanana rehetra ato amin'ny Kaominina'', hoy ny Ben'ny tanàna Ramangalaza Judicael. Mangataka tolotanana amin’ny rehetra ny tenany hiara-hisalahy samy manao izay tandrify ny azy hampandrosoana ny tanàna.

Kandida nilatsaka amin'ny anaran’ny tenany manokana ka lany tamin'ny fomba ofisialy tamin'ny salan'isa 31,21% araka ny vokatra navoak’ny Fitsarana misahana ny ady amin’ny Fanjakana Antsiranana.

Nandritra ity lanonana ity ihany koa no nametrahana tamin'ny fomba ofisialy ireo mpanolotsaina tanàna miisa 11 mianadahy.

Nitarika ny lanonana ny Prefen'i Sambava, Rabenandriamanitra Louis Sabatin.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.