Fifidianana Kaominaly: Sambany nandray anjara, nahazo Ben’ny tanàna dimy ny Tia Tanindrazana

  • samedi, 11 janvier 2020 11:14
  • Zakaria
  • Sary nindramina kandida Betafo

Sambany ny antoko Tia Tanindrazana no nisedra safidim-bahoaka amin’ny fifidianana, ka iny fifidianana kaominaly natao tamin’ny 27 novambra 2019 iny no nisantarany izany.

Kaominina miisa 34 no nandrotsahan’ity antoko tarihin’i Tahina Razafinjoelina ity kandida Ben’ny tanàna sy Mpanolontsain’ny tanàna. Miisa dimy ireo kandida Ben’ny tanàna voafidy ofisialy araka ny vokatra navoakan’ny Fitsarana misahana ny ady amin’ny fanjakana Antananarivo omaly.

Tato amin’ny Faritra Analamanga, dia voafidy ho Ben’ny tanàna ao amin’ny Kaominina Alakamisy Fenoarivo, Distrika Antananarivo Atsimondrano i Rakotobe Christian, izay kandida notohanan’ny antoko Tia Tanindrazana. Fanintelony misesy izao i Rakotobe Christian no voafidy ho Ben’ny tanànan’Alakamisy Fenoarivo.

Tao amin’ny Faritra Vakinankaratra dia vaofidy ho Ben’ny tanàna ireo kandida narotsaky ny antoko Tia Tanindrazana tao amin’ny Kaominina ambonivohitr’i Betafo tamin’ny alalan-dRandriatahinamalala Livasoa Moratiavina. Voafidy ihany koa ny kandidan’ny antoko tao amin’ny Kaominina ambanivohitr’i Manohisoa, Distrikan’i Betafo, dia i Bekoto Abdon Jeriko sy ny tao amin’ny Kaominina Ambanivohitr’i Mandritsara mbola Distrikan’i Betafo ihany koa, dia Rakotondranaivo Roger.

Vaofidy ho Ben’ny tanàna ihany koa Ramanjato Désiré, kandida narotsaky ny antoko Tia Tanindrazana tao amin’ny Kaominina ambanivohitr’i Vinany, Distrikan’i Mandoto, Faritra Vakinankaratra.

Fa nofoanan’ny Fitsarana misahana ny ady amin’ny fanjakana Fianarantsoa ny fifidianana Ben’ny tanàna sy mpanolontsaina tao amin’ny Kaominina ambanivohitr’i Mahazoarivo, Distrikan’i Fandriana, Faritra Amoron’i Mania. Nandrotsaka kandida tao amin’ity Kaominina Mahazoarivo ity ny antoko Tia Tanindrazana, tamin’ny alalan-dRakotomaharavo Lucien.

Raha ny lalàna dia tanterahina ao anatin’ny 120 andro ny famerenana ny fifidianana ka ny CENI no hamaritra ny daty hanatanterahana izany.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.