Nanchang-Chine: Hody ry Ragôva fa tsy araka ny noeritreretina ny Seminera nanasana azy ireo

  • mercredi, 04 décembre 2019 21:41
  • Zakaria

Tsy fiofanana sy fifandraisana ara-barotra araky ny niheverany azy ny seminera (Séminaire de haut niveau sur les Responsables des Gouvernements locaux) nanasan’ny governemanta Sinoa, fa seminera miompana betsaka amin’ny fampahafantarana ny Chine, indrindra ny fahombiazany ary ny tanjany ara-toekarena.

Efa amam-bolana no nanomanan-dry zareo Sinoa ity Seminera ity ary saika mpampianatra amin’ny oniversite no manao famelabelarana nefa ry Ragova fiaraha-miasa sy fisintonana Sinoa mpandraharaha ho avy hampiasa vola amin’ny Faritra sahanin’izy ireo avy no niomanana.

Raha ny 2 ka hatramin’ny 15 desambra ny faharetan’ny seminera, dia hody amin’ny 7 desambra ireo Ragôva lasa tany Nanchang, fa tsy hiandry hatramin’ny farany.

Misy avy any Zambie, Roumanie ary Pakistan ny mpandray anjara amin’ny seminera, misy tale, misy mpitsara, ary mitovy tantana avokoa ny fandraisana an-tanana nomanin’ny Sinoa azy ireo. Misy mpandray anjara sarotiny, nanantena fikarakarana manokana sy fitsenana makotroka tamin'ny alalan'ny "pin pan".

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.