Lalàna mifehy ny fitantanam-bolam-panjakana 2020: Nolanian’ireo solombavam-bahoaka

  • dimanche, 01 décembre 2019 18:22
  • Zakaria
  • Sary nindramina

Nolanian’ny solombavam-bahoaka nivory tao amin’ny Lapan’ny Antenimieram-pirenena Tsimbazaza harivan’ny sabotsy 30 novambra 2019 ny Volavolan-dalàna laharana faha-005/2019 tamin’ny 30 oktobra 2019 momba ny Lalàna mifehy ny Fitantanam-bolam-panjakana ho amin’ny taona 2020.

Vinavinaina ho 5,5% ny fitombon’ny harin-karena, ary 6,2% ny fisondrotry ny vidim-piainana amin’ny taona 2020.

Vinavinaina ho 11,5%, ny taham-pampidiran-ketra.

Natokana ho an’ny lafiny ara-tsosialy ny 39.57% ny tetibolam-panjakana, ho an’ny seha-pamokarana 30,3%, ary eo amin’ny sehatriny fotodrafitrasa ny 21,07%.

Ireo Loholona eny amin’ny Antenimierandoholona kosa indray no handinika ny làlana mifehy ny Tetibola aorin’izao fandaniana teny amin’ny Antemieram-pirenena izao.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.