Rina Randriamasinoro: Hanao karnavaly hitety an’Antananarivo anio

  • dimanche, 17 novembre 2019 09:13
  • Zakaria
  • Sary nindramina

Karnavaly amin’ny fiara hitety an’Antananarivo Renivohitra no hanohizan’ny kandida Ben’ny tanàna an'Antananarivo Renivohitra, mitondra ny laharana faha 2 amin'ny bileta tokana, Rina Randriamasinoro ny tolakandron’ny alahady 17 novambra, sady hamaranana ity herinandro faharoa amin’ny fampielezan-kevitra ity, ka hanomanana ny herinandro farany mialoha ny latsa-bato amin’ny fifidianana hatao amin’ny 27 novambra 2019.

Ny asabotsy 17 novambra dia nitety Fokontany maromaro tao amin’ny Boriborintany fahadimy eto Antananarivo Renivohitra ny kandida Rina Randriamasinoro, ny tapakandro maraina. Vonona ny hampandroso ny tanàna isika, ary tetikasa mipaka amin’ny vahoaka sy azo tanterahina avy hatrany no arosoko, hoy izy tamin’ireo mponina nihaona nivantana taminy.

Nanaraka ny fizotry ny fampielezan-keviny teny ampitetezana Fokontany teny ny mpanao gazety vahiny, ary nanontany ny hevitr’i Rina Randriamasinoro mikasika ity fifidianana atrehiny ity.

Niara-dia taminy ny filoha nasionalin’ny antoko Tiako i Madagasikara Marc Ravalomanana sy ny depiote Tiako i Madagasikara voafidy tao Antananarivo faha-5, Ralambozafimbololona Razafitsimialona Andriatsivoafetra, ary ireo kandida Mpanolontsaina Tiako i Madagasikara.

Niazo an’i Mahamasina nanotrona ny Barea an’i Madagasikara nikatroka tamin’i Etiopia, i Rina Randriamasinoro mivady ny sabotsy tolakandro.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.