Fifidianana – Antananarivo Renivohitra: Namaky bantsilana ny fanabontsinana lisi-pifidianana ireo Depiote TIM

  • samedi, 16 novembre 2019 10:37
  • Zakaria
  • Sary nindramina

Nazahoan'ny Tiako I Madagasikara (TIM) porofo ny endrika fanodinkodinana safidim-bahoaka kasain’ny sasany hatao indray amin'ny fifidianana Ben'ny tanàna sy mpanolotsaina hotanterahina amin’ny 27 novambra 2019.

Misy ny fanabontsinana lisi-pifidianana, hoy ireo solombavam-bahoaka Tiako i Madagasikara miisa enina mianadahy voafidy teto Antananarivo Renivohitra nandritra ny valandresaka ho an’ny mpanao gazety nataon’izy ireo tao amin’ny hotely Colbert Antaninarenina, omaly.

Tao amina Biraom-pifidianana iray dia 520 ny isan'ny mpifidy ao aminy taorian'ny fikatonan'ny lisi-pifidianana tamin’ny volana mey 2019. Rehefa nanao "fanamarinana" farany ny Tiako i Madagasikara dia hita fa nitombo ho 675 ny isan'ny mpifidy nefa tsy nisy intsony fanokafana ny lisi-pifidianana.

Sefo Fokontany miisa 11 ihany koa no nesorina maikamaika tao amin'ny Boriborintany voalohany eto Antananarivo Renivohitra.

"Tsy mampitandrina intsony izahay fa mampandre izay tomponandraikitra rehetra amin'izany ary tsy hanaiky intsony izahay raha mbola hangalarana indray ny safidim-bahoaka", hoy ireto solombavam-bahoaka Tiako i Madagasikara ireto.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.