Rina Randriamasinoro: Liana amin’ny fandaharan’asany ny mponina

  • jeudi, 07 novembre 2019 14:03
  • Zakaria
  • Sary nindramina

Mitohy ny fitetezana Fokontany ataon’ny kandida Ben’ny tanàna Rina Randriamasinoro. Amin’ity andro fahatelon’ny fampielezan-kevitra ity dia tato amin’ny Boriborintany faha-6 Ambohimanarina izy sy ireo kandida mpanolontsaina Tiako i Madagasikara miaraka aminy, mampahafantatra ny fandaharan’asany sy manentana ny olona hifidy azy.

Liana amin’ny fandaharan’asany ny olona, ireto farany izay mahita fa mifanandrify amin’ny andrasan’ny olona ireo asa fampandrosoana ny tanàna aroson’i Rina Randriamasinoro, izay kandida ho Ben'ny tanàna Antananarivo renivohitra, mitondra ny laharana hafa 2 amin'ny bileta tokana.

(Jereo Sary Tohiny)

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.