Tanà-Masoandro: Nandefa taratasy any amin’i Andry Nirina Rajoelina i Rivo Rakotovao

  • vendredi, 01 novembre 2019 18:37
  • Zakaria

Nandefa taratasy amin’ny Filohan’ny Repoblika Andry Nirina Rajoelina ny Filohan’ny Antenimierandoholona Rivo Rakotovao ny 30 oktobra 2019, mampahafantatra ny votoatin'ireo fihaonana in-droa miantaona notanterahin’ny loholona tamin’ny mponina avy amin’ireo Kaominina voakasiky ny fanatanterahana ny tetikasa Tanà-Masoando.

Taratasy niarahana tamin’ireo Loholona avy amin’ny Faritanin’Antananarivo izy ity, mandravona ny votoatin’ny dinika tamin’ny nandalovan’ireo solontenan’ny mponina teo anivon’ny Antenimierandoholona, ny 29 oktobra 2019, sy ny fidinana ifotony teny Ambohitrimanjaka notanterahin’ny Loholona avy amin’ny Faritanin’Antananarivo, ny 21 oktobra 2019.

Ny andininy faha 81 amin’ny Lalampanorenana no mamaritra ny anjara andraikitry ny Antenimierandoholona, dia ny fisolotena ireo vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana sy ireo vondron-draharaha ara-toekarena ary ara-tsosialy. Anisan’ny fomba hanatanterahana izany ny fihaonana fakan-kevitra amin’ny vahoaka.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.