Diplaomasia: Voaray eo anivon’ny UNESCO Rtoa Yvette Sylla

  • mardi, 08 octobre 2019 22:06
  • Britto
  • Sary nindramina

Nanolotra ny taratasy fanendrena azy ho ambasadaoro, solontena maharitry ny Repoblikan’i Madagasikara eo anivon’ny UNESCO tamin’i Audrey Azoulay, Tale jeneralin’ity Sampan’ny Firenena Mikambana misahana ny fanabeazana, siansa ary ny kolontsaina ity, i Yvette Sylla. Tao amin’ny foiben-toeran’ny UNESCO no nanatanterahana izany androany 8 oktobra 2019.

Ny 18 septambra 2019 i Yvette Sylla, vady navelan’ny praiminisitra teo aloha sady efa filohan’ny Antenimieram-pirenena teo aloha Jacques Sylla, no voatendry, nandritra ny filankevitry ny minisitra, ho Masoivohom-pirenena, sady solontena maharitr’i Madagasikara eo anivon’ny UNESCO ao Paris.

Efa minisitry ny raharaham-bahiny i Yvette Sylla, efa minisitry ny varotra ihany koa. Solontenan’ny filohan’ny Repoblika teo anivon’ny Filankevitra maharitry ny Frankôfônia. Farany teo, dia mpandrindra ankapobeny ny vaomiera eo anivon’ny fiadidiana ny Repoblika, nisahana ny fitsidihana masina nataon’ny Papa Fransoa teto Madagasikara.

Mpampianatra tantara eny amin’ny anjerimanontolo i Yvette Sylla, ary filoha nasionalin’ny antoko « Madagasikara Mandroso ».

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.