Botozaza Pierrot: Hanohana an’i Nantenaina amin’ny fifidianana Ben’ny tanàna

  • mardi, 08 octobre 2019 17:37
  • Tigre
  • Sary nindramina

Nanao fanambarana i Botozaza Pierrot, fa rehefa nandinika izy sy ny ekipany dia hanohana an’i Nantenaina amin’ny fifidianana Ben’ny tanàna hotanterahina amin’ny 27 novambra 2019.

Praiminisitra lefitra misahana ny toekarena tamin’ny tetezamita i Botozaza Pierrot. Efa minisitry ny Fitaterana tamin’ny 2008, efa voafidy solombavam-bahoakan’i Toamasina tamin’ny anaran’ny antoko Tiako i Madagasikara talohan’izay. Efa Tale jeneralin’ny SPAT (Société du Port à gestion Autonome de Toamasina). Nirotsaka hofidiana tamin’ny anaran’ny tenany manokana ho depioten’i Toamasina I tamin’ny aprily 2019. Filohan’ny fikambanana ZAMI (Zanak'Ambanivolo Mivoatra) izy.

Kandida narotsaky ny IRD amin’ny fifidianana Ben’ny tanànan’i Toamasina i Nantenaina, mitondra ny laharana voalohany (1) amin’ny bileta tokana.

 (Jereo Sary Tohiny)
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.