Fifidianana: Hanomanana fifidianana manokana ireo Kaominina tsy misy kandida Ben’ny tanàna

  • mercredi, 11 septembre 2019 09:00
  • Britto

Tsy miova, hatreto, fa dia hifarana rahampitso alakamisy 12 septambra 2019 ny fametrahana antotan-taratasy firotsahan-kofidiana Ben’ny tanàna sy Mpanolontsain’ny tanàna eny anivon’ny OVEC manerana ny Nosy.

Nohamoraina ny famenoana ny antotan-taratasy firotsahan-kofidiana hoy ny avy eo anivon’ny Vaomiera mahaleotena misahana ny fifidianana (CENI). Nanentana ireo antoko sy vondrona antoko politika ny CENI tsy hiandry ny fotoana farany vao hametraka ny antotan-taratasy firotsahan-kofidiana.

Voalaza ihany koa fa hanomanana fifidianana manokana (élection partielle) ireo Kaominina tsy misy kandida Ben’ny tanàna aorian’ny fe-potoana voatondron’ny lalàna hikatonan’ny fandraisana ireo antotan-taratasy firotsahan-kofidiana Ben’ny tanàna sy Mpanolontsain’ny tanàna.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.