Marc Ravalomanana: Atolotry ny RMDM ho kandida Ben’ny tanàna Antananarivo Renivohitra

  • mardi, 10 septembre 2019 15:35
  • Zakaria
  • Sary Njaka

« Rehefa nandinika, namakafaka ary nahatsapa ny olana misy amin'ny fametrahana ny mpanohitra eto Madagasikara sy ny fanakatsakanana ny fisian'ny mpanohitra tena izy, mifanaraka amin'ny safidin'ny vahoaka sy ara-dalàna ny Rodoben'ny Mpanohitra ho an’ny Demokrasia eto Madagasikara (RMDM), dia manolotra ny filoha Marc Ravalomanana ho kandida Ben'ny tanàna eto Antananarivo Renivohitra ».

Alain Andriamiseza, filohan’ny antoko MCDM no nanao ny fanambarana androany tetsy amin’ny hotely Le Louvre Antaninarenina, notronin’ireo filohan’antoko samihafa mandrafitra ny vovonana RMDM.

« Mila ny filoha Marc Ravalomanana i Antananarivo », hoy i Tabera Andriamanantsoa, filoha nasionalin’ny antoko Kintana. « Mila olona mahay mifehy Antananarivo amin'ny maha taratr’i Madagasikara azy », hoy hatrany izy.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.