Depiote Leva sy Hasimpirenena: Tsy mbola nandingana ny lapan’i Tsimbazaza

  • samedi, 24 août 2019 17:29
  • Britto

Iray volana taorian’ny nijoroan’ny Antenimieram-pirenena vaovao, nanaovany fivoriana in-droa miantoana, dia ny fivoriana manokana tanterahina ny talata faharoa aorian’ny nanambarana ofisialy ny voka-pifidianana solombavam-bahoaka, ifidianana ireo mpikambana amin’ny birao maharitra sy ireo vaomiera samihafa, ary koa ny fivoriana tsy ara-potoana nanoloran’ny Praiminisitra ny fandaharanasa fanatanterahana ny Politika ankapoben’ny fanjakana, sy nandihana ny fanitsiana ny lalàna mifehy ny mpanohita, tsy mbola nandingana ny tokonan’ny lapan’i Tsimbazaza ny depiote isany Rasolomampionina Hasimpirenena (IRD), voafidy tao amin’ny Distrikan’i Fandriana, Faritra Amorin’i Mania, sy Raveloson Ludovic Adrien dit Leva (Tsy miankina), voafidy tao amin’ny Distrikan’i Mahabo, Faritra Menabe.

Samy voatazona am-ponja izy ireo ; Rasolomampionina Hasimpirenena, voasaringotra amin’ny raharaha tany mikasika ny « Villa Elisabeth » fonenan’i Pr Zafy Albert tamin’ny naha filoham-pirenena azy. Raharaha heloka bevava samihafa kosa no mahavoarohirohy an’i Leva.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.