Fifidianana Ben’ny Tanàna sy Mpanolotsaina: Nanolotra ny datin’ny alarobia 27 novambra 2019 ny CENI

  • mercredi, 14 août 2019 21:47
  • Britto
  • Sary CENI

Nanolotra volavolana tetiandro hanatontosana ny fifidianana Ben’ny Tanàna sy Mpanolotsaina, ny CENI taorian’ny naharaisany ny taratasy fangatahana avy amin’ny governemanta, omaly talata 13 aogositra 2019. Ny datin’ny alarobia 27 novambra 2019 no naroson’ny CENI mba hanatanterahana ireo fifidianana roa ireo.

Hanomboka amin’ny 22 aogositra ary hifarana amin’ny 05 septambra 2019 ny fametrahana ireo antotan-taratasy eny anivon’ny Distrika.

Amin’ny 17 septambra 2019 ny CENI no hamoaka amin’ny fomba ofisialy ny lisitr’ireo kandida.

Haharitra 21 andro ny Fampielezan-kevitra, ka hanomboka amin’ny 06 novambra izany ary hifarana amin’ny 26 novambra 2019.

Ny Alarobia 27 novambra 2019 no androm-pifidianana.

Ny 14 janoary 2020 no fe-potoana farany ahafahan’ny Fitsarana misahana ny ady amin’ny fanjakana eny anivon’ny Faritany tsirairay mamoaka ny voka-pifidianana.

Anjaran’ny governemanta ny fanapahan-kevitra farany amin’ny fandraisany ny didim-panjakana miantso ny mpifidy handatsa-bato. Raha raisin’ny governemanta ity volavolana tetiandro naroson’ny CENI ity dia andrasana hatramin’ny 27 aogositra 2019 izany didim-panjakana izany mba ho fanajana ny fe-potoana 90 andro araka ny lalàna velona.

Tsy niova amin’ny efa naroso iray volana lasa ny volavolana teti-bola na “caution”izay napetraky ny CENI.

Ny fitondram-panjakana no hametraka ny teti-bola ahafahan’ny CENI manatontosa ny fifidianana mifanaraka amin’ny tetiandro napetrany.

Araka ny fanazavan’ny CENI dia 50 andro ny fe-potoana tsy azo idovirana hanontan’ny “Imprimerie Nationale » ireo antontan-taratasy rehetra saro-pady ilaina amin’ny fanatontosana ny fifidianana.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.