BIANCO: Andrianirina Laza Eric Donat no Tale jeneraly fahaefatra

  • mercredi, 07 août 2019 13:45
  • Britto
  • Sary nindramina

Jeneraly Ramarozatovo René, Jeneraly Rabetrano Faly ary Andriamifidy Jean Louis, ireo no Tale jeneraly nifandimby nitantana ny Birao mahaleotena misahana ny kolikoly na BIANCO.

Andrianirina Laza Eric Donat no Tale jeneraly fahaefatra hiasa ao amin’ny Villa « La Piscine » eny Ambohibao-Antananarivo, misy ny foiben-toeran’ny BIANCO.

Nandritra ny filankevitry ny minisitra natao tao Iavoloha tamin’ny 25 jolay 2019 no nandraisana ny didim-panjakana nanendrena an’i Andrianirina Laza Eric Donat ho amin’io toerana arahin’andraikitra io, niainga tamin’ny tolotr’anarana telo naroson’ny CSI, komity mpifantina, tany amin’ny filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina, izay manao ny fanendrena araka ny voalazan’ny lalàna.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.