BIANCO: Nanao ny fianianany ny Tale Jeneraly vaovao

  • mardi, 06 août 2019 16:38
  • Britto
  • Sary Gasypatriote sy Présidence

Notanterahina tao amin’ny Fitsarana Tampony Anosy-Antananarivo, androany 06 aogositra 2019 ny lanonana ara-pitsarana nandraisana ny fianianan’ny Tale Jeneraly vaovaon’ny Birao Mahaleotena miady amin’ny kolikoly (BIANCO), Andrianirina Laza Eric Donat.

Nianiana ny hanatanteraka ny andraikitra sahaniny araka ny lalàna, ny hitandro lalandava ny fahamarinana, tsy hijery tavan'olona, ary handala ny fahamendrehana takian’ny fahombiazan'ny ady amin'ny kolikoly ity Tale Jeneraly vaovao ity.

Nanambara ny Filohan’ny Repoblika, Andry Rajoelina taorian’ny fanotronany ity lanonana ara-pitsarana ity, fa tena hahaleo tena tanteraka ny BIANCO ao anatin’ny fanatanterahana ny asany, ary nasiany tsindrim-peo manokana fa ho entitra ny sazy hampiarina amin’ireo rehetra, tsy an-kanavaka, tratra manao kolikoly.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.