Fitsinjaram-pahefana: Hisy fandrafetana politika vaovao

  • mercredi, 10 juillet 2019 16:10
  • Zakaria

Nitarika ny fivoriana izay handrafetana ny politika vaovaon’ny fitsinjaram-pahefana eto Madagasikara ny Praiminisitra, Lehiben’ny governemanta, Ntsay Christian, niaraka tamin’ireo mpikambana sasantsasany ao anatin’ny governemanta sy ireo tompon’andraikitra izay voakasik’izany.

Nanambara ny lehiben’ny governemanta fa ny fampandrosoana ny firenena amin’ny fotoana haingana sy amin’ny fomba maharitra no tanjona, ka ny fitsinjaram-pahefana no anisan’ny lalana ary fitaovana anankiray mba hanatrarantsika izany tanjona izany.

Zavatra telo no ilaina amin’izany, hoy izy dia ny fizarana ny fahefana any amin’ny faritra, mba hahafahan’ireo tompon’andraikitra manapa-kevitra haingana sy mitondra vahaolana ho amin’ireny olana maro samihafa sy laharam-pahamehana hita any ifotony ireny, fa tsy hiandry ny vahaolana avy aty amin’ny fanjakana foibe hatrany.

Ny faharoa dia ny resaka fampitaovana eny anivon’ny Faritra. Tsy voatery hiandry ny fanjakana foibe fa ny Faritra ihany no mitondra fampitaovana sy manapa-kevitra amin’izay fotodrafitrasa tokony hamboarina araka ny filan’ny vahoaka sy filana ara-toe-karena any an-toerana.

Ary ny mahakasika ny ara-bola satria ilain’ny Faritra ny fahaizana mitantana izany, indrindra ny fangaraharan’ny fampiasana ny vola izay alaina avy any amin’ny Faritra.

Navoitrany tamin’izany ny amin’ny tokony hisian’ny tamberin’andraikitra ary ny fisitrahan’ny Faritra tsirairay avy ny vokatry ny harena ananany.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.