Ady amin’ny kolikoly: Nanao fanambaram-panana ny Tale jeneraly vaovaon’ny “Office de Transmissions Militaires de l’Etat”

  • jeudi, 20 juin 2019 13:31
  • Britto
  • Sary: OTME

Tonga nanatitra ny taratasy fanambaram-pananany teny amin’ny biraon’ny Bianco Ambohibao ny Tale jeneralin’ny OTME (Office de Transmissions Militaires de l’Etat), kolonely Rafaliarison Fidimalala, ny tolakandron’ny alatsinainy 17 jona 2019 teo.

Ny lalàna 2016-020 tamin’ny 22 aogositra 2016 momba ny ady amin’ny kolikoly no manery ny olom-panjakana ambony tsy maintsy manao fanambaram-pananana.

“Aide de Camp” an’i Filoha Andry Rajoelina, nandritra ny fitondrana tetezamita ity kolonely Rafaliarison Fidimalala notendrena ho Tale jeneralin’ny OTME ity.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.