Amerika: Anomboka anio ny fampielezan-kevitry Donald Trump

  • mardi, 18 juin 2019 13:07
  • Tigre
  • Sary nindramina

Mpomba azy tsy latsaky ny 20 000 no miandry an'i Donald Trump, filoha amerikanina ankehitriny, ao Orlando Floride, amin'ny fihaonana voalohany anombohany ny fampielezan-kevitra amin'ny fifidianana ho filoham-pirenena amerikanina, izay atao amin'ny 3 novambra 2020.

504 andro mialoha ny fifidianana dia efa manenjana ny kabariny ity filoham-pirenena hifaninana amin'ny fotoam-piasana 4 taona faharoa ity.
Nambarany tamin'ny tweet nalefany alina, fa manomboka amin'ny herinandro ambony dia roahiny avokoa ireo vahiny aman-tapitrisany tsy manana fahazoan-dalana ara-dalàna hipetraka any Amerika.

Maro ireo Amerikanina no nandeha alavitra ary natory anaty tanty, amonjy izao fotoana lehibe anio izao.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.