Fifidianana depiote: Fitanana an-tsoratra miisa 4 hatreto no hita fa tsy mitovy rehefa nampitahana

  • jeudi, 13 juin 2019 13:15
  • Britto
  • Sary: CENI Madagascar

Fitanana an-tsoratra ny voka-pifidianana (PV) avy amin'ny birao fandatsaham-bato miisa 837, avy amin'ny Distrika miisa 23, hatreto no neken’ny CENI, ary efa vita fampitahana teny amin'ny foibeny eny Alarobia – Antananarivo, araka ny fampitam-baovao ny fiandohan’ny tolakandro teo.

Nahitana tsy fitoviana ny 4 tamin’ireo fitanana an-tsoratra ireo, ka 2 avy ao amin’ny Distrikan’i Soalala, 1 avy ao Arivonimamo, ary 1 avy ao Ambositra.

Nanipika mazava ny CENI fa « tsy afaka manova na manitsy ny voka-pifidianana ny CENI na misy na tsia ny tsy fitoviana, aorian’ny fampitahana ». Manao fitanana an-tsoratra iraisana kosa ny kandida sy ny CENI halefa any amin’ny HCC, momba izay hita nandritra ny fampitahana.

Nanambara ny CENI fa anio Alakamisy 13 jona no fe-potoana farany ahazoana manatanteraka fampitahana ireo Fitanana an-tsoratra eny amin'ny foiben-toerany Alarobia.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.