Madagasikara – Alemana: Hanamafy ny fiaraha-miasa

  • mardi, 11 juin 2019 21:41
  • Britto
  • Sary nindramina

Tafaresaka manokana tao Genève Soisa, androany, ny filoha Andry Rajoelina sy ny Rtoa Angela Merkel, Chancelière an'i Alemana izay samy miatrika ny fankalazan’ny Fikambanana Iraisam-pirenena ho an'ny Asa (OIT) ny faha-100 taona nijoroany. Sehatr'asa maro no niarahan'ny roa tonta nidinika toy ny angovo, ny tontolo iainana ary ny fampianarana.

Taorian’ny fihaonana dia nilaza ny Filoham-pirenena fa handefa delegasiona avy amina ministera vitsivitsy ho any Alemana, araka ny fanasana nataon-dRtoa Angela Merkel ho fanamafisana ny fiarahamiasan’ny firenena roa tonta.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.