Befandriana Avaratra: Mitaky ny hialan’ny Sefo Distrika ny vahoaka

  • lundi, 10 juin 2019 16:37
  • Britto
  • Sary nomena

Nidina an-dalambe sady nilanja sorabaventy mitaky ny fialan’ny Sefo Distrika ny vahoaka eto Befandriana Avaratra.

Fanararaotam-pahefana, fikasihan-tanana olona, fanagadrana mpiasam-bahoaka noho ny olana tamin’ny fifidianana Solombavambahoaka farany teo no anisan’ny nahatezitra ny olona ka tonga amin’izao fidinana an-dalambe izao.

Mitarika vonjimaika ny kandida Jonah Parfait Prezaraly (MA.TI.TA) ; 9000 ny elanelam-bato manasaraka azy amin’ny faharoa vonjimaika, Lylyette Rene De Rolland (IRD).

Miandry ny vokatra ofisialy ny vahoaka eto Befandriana Avaratra.

Re fa efa navotsotra ilay olona notazomina am-ponja.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.