Justin Vali: Miantso ireo kandida tsy miankina hanambatra hery hampandrosoana ny tanàna

  • mercredi, 05 juin 2019 12:34
  • Zakaria
  • Sary nindramina

Nanao fanambarana tao amin’ny pejiny Facebook i Rakotondrasoa Justin, fantatry ny maro amin’ny anarana maha mpanakanto azy hoe : Justin Vali, miantso ireo kandida tsy miankina rehetra manerana an’i Madagasikara, tamin’ny fifidianana solombavambahoaka natao ny 27 mey 2019.

“Andao atambatra ny hery hanangana fikambanana handray andraikitra hampandroso ny tanintsika”, hoy izy, satria “maro ireo olona tia antsika ary miandry antsika ka tokony hotohizana ny fifandraisana sy ny fanaovantsoa ny mpiarabelona”.

Kandida solombavambahoaka, faha-4 tamin’ny biletà tokana, nirotsaka tamin’ny lisitra tsy miankina tao amin’ny Distrika Andramasina, Faritra Analamanga i Justin Vali. Toerana solombavambahoaka tokana no ifaninanana ao Andramasina. Faha-4 vonjimaika i Justin Vali amin’ny isam-bato azony, araka ny fironana ao amin’ny tranokalan’ny CENI. Fanindroany nirotsahany hofidiana ny tamin’ity. Efa kandida izy tamin’ny 2007.

Mpanakanto manana ny lazany iraisam-pirenena i Justin Vali. Ny fitendrena “valiha”, izay zavamaneno vokarina sy mampalaza an’Andramasina no isany mampiavaka azy. Ankoatra ny asa sosialy ataony ho valimbabena, dia manao ezaka lehibe amin’ny fampafantarana sy ny fampivelarana ny lalao tenisy any Andramasina ihany koa ny tenany. Nahavita kianja filalaovana io taranja io izy.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.